Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Janoary, 2016
Karatra Paostaly Fahiny Maneho Ny Fiainana Tao Vietnam Tany Ampiandohan'ny Taonjato Faha-20
Ampahany amin'ireo tahiry dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York ny karatra paostaly, izay namoaka zavatra 180.000 navadika ho dizitaly ho an'ny sehatra ho an'ny daholobe, tsy ela akory izay.
Miverina Indray Ny Tetiandro Miboridandridan'ireo Makedoniana Ao Amin'ny Twitter
Taorian'ny fiatoana tamin'ny 2015, naverin'ireo Makedoniana mpampiasa Twitter indray ny fomba nahazatra azy amin'ny fanaovana tetiandro misy fitanjahana ho entina manao asa soa.
Habibiana Tsotra Izao No Azo Ilazana ny Tantaran'ny Fihazàn'ny Mpanjaka Tao Amin'ireo Lemaka Atsimon'i Nepal
"Na ny printsy Franz Ferdinand aza, izay nitarika ny fipoahan'ny Ady Lehibe I tamin'ny taona 1914 ny famonoana azy, tonga hihaza tao Nepal rehefa nasain'ny Maharajah Bir Shumsher ny volana martsa 1893"
Tonga Ao Italia Ireo “Mpanohitra Andriambavy”-n'i Arzantina
Nitondra fahalinana goavana tao Italia ny andiam-boky "Mpanohitra-andriambavy" teraka tao Arzantina, ary vokatry ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny Gloval Voices, ho avy tsy ho ela ny fanontàna ny dika amin'ny fiteny italiana.
Mendrika Hasongadina Ireo Niharan-doza Noho Ny Ady Atao Amin'ny Zava-mahadomelina Ao Meksika, Fa Tsy Ry El Chapo Sy Sean Penn
"rehefa fantatra ny anaran'ireo maty novonoina, rehefa heno ny tantaran'ny fijalian-dry zareo, ary ampitomboin'ireo olona an'arivony, amin'izay ihany ny olona any rehetra any vao hikiaka hiantso fampitsaharana ny ady."
Tsy Adin'ny Sionita Sy Ny Shiita Ny Fifandonana Ao Afovoany-Atsinanana, Ary Tsy Efa An'Arivo Taona Tany Aloha Akory
"Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia," hoy i Iyad El-Baghdadi mibitsika momba ilay antsoina hoe hantsana eo amin'ny Sionita sy ny Shiita.
Voasambotr'i Meksika Indray i El Chapo Guzmán. Nefa Iraka Tontosa Ve Izany?
"Ny filazàn'ny Filoha Enrique Pena Nieto hoe "iraka tontosa" dia azo itokiana ho toy ny filazàn'i George Bush azy momba an'i Iràka. Samy kidaladala."
Tsy Ny Disadisa Siriana No Hakàn'izy Ireo Amiko Ny Noeliko
Ao anaty firenena iray anjakan'ny ady dia sady fihetsika tena tsy misy fahamatorana no fanoherana mahery vaika ny fankalazàna Noely.
Ny Fitomboana Mampivarahontsan'ny Ny Fakàna Zaza An-keriny Ho Toy Ny Asa Fitadiavam-bola Ao Madagasikara Ny Taona 2015
."Tsy iriko, na ho an'iza na ho an'iza aho, eny fa na dia ho an'ny fahavaloko ratsy indrindra aza, ny hiaina amin'izany nofy ratsy izany. Miravirary tanana ny vahoaka malagasy manoloana io andiana fakàna zaza ankeriny io".
Nikarakara ny Hetsika Opera Tselatra Voalohany Tao Amin'ny Fivarotana Iray Lehibe Iray Ao Bishkek i Kyrgyzstan. Zavatra Nahagaga Izany.
"Olona izay sahala amin'ny mpiantsena rehetra ihany sy mpiasan'ilay fivarotana no niredona hira tampoka, tamin'ny fampianohana ny ampahany tamin'ny operan'i Verdi, La Traviata, ho an'ireo mpividy".