Sylvia Aimée · Desambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Desambra, 2018

Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić

  27 Desambra 2018

Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.

Sahara Andrefana: Nomena Aina Amin'ny Fiteny Castillan Ny Tononkalo Sahraouie

  25 Desambra 2018

Ho an'ireo kolontsaina sasantsasany, ny sakafo, ho an'ny hafa kosa, ny mozika, ary marobe ireo kolontsaina manamafy ny amantarana azy amin'ny alalan'ny taotrano. Anisany iray amin'ireo toetra manokana ara-kolotoraly ho an'i Sahara Andrefana, ny lovantsofina, ary ny tononkalo no manana lanjany betsaka indrindra eo anatrehan'ireo Sahraouis [teny espanola]. Manana lanjany goavana ao anatin'ny fiainan'izy ireo io literatiora io amin'izao fotoana izao

Ejipta: Ny Kianjan'i Tahrir, Nofinofy Kely Iray

Iray amin'ireo endriky ny revolisiôna niseho tao Ejipta ny fiainana andavanandron'ireo mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja Tahrir. Nandritra ny roa ambinifolo andro, teo an-kianja izy ireo no nonina. Manaraka ny onjany manokana ankehitriny ny fiainana eo an-kianja Tahrir, ary ny fanantenana manjaka ao anatiny dia ny nofinofy kely iray.