Ireo Taridàlana Ho an'ny Fanaovana Tatitra Voalohany Indrindra

Mpanao gazety iray eo ampanadihadiana mpanao fihetsiketsehana iray manoloana ny Kaonsilà Amerikana ao Calgary. SARY: Robert Thivierge (CC BY-SA 2.0)

Amin'ny ankapobeny ny Global Voices dia vohikala iray faharoa amin'ny fizaràna tatitra fanadihadiana – fidiantsika ireo loharano izay mandefa mivantana amin'ny aterineto ary tanisaintsika ireo fanadihadiana navoakan'ireo media hafa. Saingy matetika, isika no manao ny tatitra voalohany.

Na rahoviana na rahoviana isika no manao izany, misy ireo fepetra vitsivitsy tsy maintsy arahantsika isaky ny manao izany :

1. Ambarao ny fifandraisanao amin'ireo loharanonao

  • Raha anisany ao anaty fianakaviana na namana akaiky ilay loharano, tokony ampahafantarinao amin'ireo mpamaky izany.
  • Ny fomba mahazatra ho an'ireo mpanoratra hanaovana an'izany dia ny fanamarihana azy ofisialy eny ampiandohan'ny tantara, saingy azonao atao ihany koa ny mitady fomba iray vaovao hampidirana azy ao anaty lahatsoratra.
  • Tano ao an-tsaina hatrany fa ho an'ireo mpamaky sasantsasany, ny hevitra hoe ny mpanoratra iray dia mety hanana fifandraisana manokana amin'ny olana resahaina dia mety hitarika azy ireo amin'ny fiangarana na hampiahiahy amin'ny ambiny rehetra amin'ireo tatitra ataonao. Tokony lanjalanjainao am-pitandremana fatratra araka izany ny fombàna na tsy fombàna rehefa manao fanadihadiana olona iray ananano fifandraisana manokana.

2 . Alaivo ny fankatoavan'ilay loharano mba ho tanisaina manokana eo amin'ny globalvoices.org

  • Ny fomba firesak'ireo olona amin'ny mpanao gazety dia tsy mitovy amin'ny firesaky ny olona amin'ny namana iray ao anaty resadresaky ny efa samy mifankazatra.
  • Vokatr'izay, rehefa manadihady olona iray ianao ho anà lahatsoratra iray, tokony hanontany azy mazava tsara ianao raha toa ka ekeny ny hitanisàna azy ao anaty Vohikala hitan'ny daholobe na tsia izay, raha alaina sary an-tsaina, dia olona an-tapitrisany no afaka mamaky azy. Aza adino ihany koa fa amin'ireo tranga sasantsasany, mety hitera-doza ho an'ny loharanonao ianao.
  • Rehefa miantso olona iray ianao hanaovana fanadihadiana, lazao mazava tsara ny andraikitrao ao anatin'io fifanakalozan-kevitra io, ohatra hoe: mpiara-miasa amin'ny Global Voices ianao, miasa amina tantara iray momba an'i X ary maniry ny hanadihady sy hitanisa azy ireo ao anatin'izay tantara izay.
  • Raha miresaka amina olona iray amin'ny fomba efa mahazatra ianao ka hitanao aty aoriana kely fa maniry hampiasa an'ireo singa ao anatin'io fifanakalozan-kevitra io ianao, mifandraisa aloha aminy indray ary mangataha alalàna aminy mba ho afaka hamoaka ny fomba fijerin'izy ireo ato anatin'ny GV.
  • Raha niresaka tamina olon-kafa ianao ary taminà asa hafa (ohatra hoe, amin'ny maha mpikaroka eny amin'ny anjerimanontolo), mifandraisa indray amin'izy ireo ary mangataha alàlana  hampiasa ireny fitanisàna ireo ato amin'ny GV.
  • Aza mihevitra mihitsy hoe hanaiky ho tanisaina ao anaty Global Voices ny olona iray, na dia ohatra aza ianao olona tsy hanome endrika diso amin'ireo fmba fijeriny.

3. Tehirizo ireo fanamarihanao

  • Tena zava-dehibe tokoa io ho an'ireo fotoana vitsivitsy izay mety hanontanian'ny olona iray anao mikasika an'ireo fomba fanaovanao tatitra, na hiadiana hevitra momba ny endrika sasany amin'ny  tantaranao.
  • Rehefa manidhady olona iray mivantana ianao, amin'ny alalan'ny telefona na eo amin'ny vovonana fiadiana hevitra amin'ny lahatsary toy ny Skype na Zoom, mampiasà fandraisampeo iray foana isaky ny azo atao izany.
  • Rehefa mandray an-tsoratra ianao, soraty masinina izany ary arindrao ao anaty tahirin-kevitra nomerika iray raha vao afaka mahazo solosaina ianao. Aza miandry herinandro manontolo vao manao an'io – ataovy izany dieny mbola mahatadidy tsara ny sainao.
  • Raha mifandray amin'ny imailaka amin'ny loharanonao ianao na avy amin'ireo fampiasa fandefasana hafatra eo noho eo, tehirizo ireo pikantsarin'ny fàfana mikasika ilay fifampiresahana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.