Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo
(Fanamarihana: ity lahatsoratra ity dia navoaka tamin'ny Jolay 2008)
Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo ankilan'i Serbia, dia i Rosia.
Nambaran'ny governemanta Slovaky, efa ho volana maromaro izay, fa tsy ekeny ny fahaleovantenan'i Kosovo izy. Etsy andanin'izay, nampahafantarin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny fa tsy hanaiky velively antontan-taratasy avy any Kosovo ny governemanta Slovaky, anisan'izany ireo pasipaoro. Tahaka izay voalazan'ny blaogera slovàky Peter Martinovic [teny anglisy];
Raha toa misy teratany iray avy ao Kosovo tonga any amin'ny faritany Slovaky, dia heverina ho toy ny mpifindramonina tsy ara-dalàna izy na dia manana fahazoandàlana Schengen manankery aza.
Nahoana no tsy eken'i Slovakia i Kosovo nefa nanaiky daholo ireo manodidina tena akaiky azy indrindra, ny Repoblika Tcheky, Polonina ary Hongria? Nahoana i Slovakia, izay niaina an-jato taonany maro teo ambany ziogan'ny ampira matanjaka [Aotrisy], sady tsy nahazo ny fahaleovantenany raha tsy vao 15 taona monja izao, no mifidy ny tsy hanaiky ny fahaleovantenan'ny vahoaka iray, izay niharan'ny antsoin'i ONU hoe “fanosihosena faobe ny zon'Olombelona” nataon'ny governemanta izay niankinany?
Atolotr'i Martinovic ity fanazavana manaraka ity, manao hoe:
Iray amin'ireo tsy fahita firy izay mampitambatra ny tontolo politika Slovaky io olana io. Ankoatra ny Antokon'ny Fampiraisana Hongroà [antoko misolo tena ireo Hongroà vitsy an'isa], niombon-kevitra avokoa tsy hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo ireo antoko politika rehetra, na izy mpiandany amin'ny eoropeana fotsiny na tena mpisolelaka tanteraka amin'ny eoropeana. Tsy ny tantara nisamboaravoara nandritra ny taonjato faha-XXe fotsiny akory no fototr'io fanapahankevitra io, fa koa ny fahatsapàna manjavozavo ny hevi-bahoaka Slovàky hoe loza mitatao ho an'ny firenena ireo Hongroà vitsy an'isa monina ao atsimo [-n'i Slovakia] sady manao tetika ny handao azy sy hanjohy an'i Hongria.
Ny faritanin'i Slovakia ankehitriny dia anisany tafiditra tao anatin'ny Fanjakàn'i Hongria taloha. Fony teo ambany ziogan'i Hongria, nitaky ny zony hisitrakana ny teniny ary koa ny fahaleovantenany ireo slovàky. Tamin'ny fiafaran'ny ady lehibe voalohany, nitarika toe-javatra mifanohitra ny fiforonan'i Tsekoslovakia, nahitàna hongroà vitsy an'isa nanorim-ponenana tao amin'io fanjakana vaovao io. Amin'izao fotoana izao, maneho ny iray ampahafolon'ireo mponina ao Slovakia io ampahany vitsy an'isa io, saingy any amin'ireo faritra sasantsasany atsimon'ny firenena, ny 40% n'ny mponina dia Magyars avokoa.
Araka izany ni itsaràn'i Martinovic ny tahotra hahitàna an'ireo Hongroà hitaky fisarahana:
Mazava ho azy fa kitoatoan-javatra izany ary taratry ny nationalisma iombonana amin'ireo mpanao politika vitsivitsy izay manantena ny vaton'ireo mpifidy (betsaka) tena tsy nahita fianarana, na dia tsy nanao mihitsy izay hampitonitony ny zava-misy aza ny fitondrantenan'ny sasantsasany amin'ireo Hongroà.
Na izany aza, tsy ankasitrahan'i Martinovic ny hoe ny fahaleovantenan'i Kosovo no ho lasa mpialoha làlana amin'ny fametrahana faritany “manambara ny fahaleovantenany, tsy misy fankatoavana avy amin'ny governemanta izay niankinany sady tsy nahazo mialoha ny fankatoavan'ny fiarahamonina iraisam-pirenena”.
Slovàky iray 24 taona, Jan, maneho fijery hafa eo amin'ny blaogy Us Europeans (Isika Eoropeana):
Tsy tohanan'ny governemanta slovàky ny fandavantenan'i Kosovo hànanan fahaleovantena. Mihevitra isika fa tafiditra ho anisan'i Serbia i Kosovo ary tokony hijanona ao izy. Tsy toedraharaha iray izay handresen'ny rehetra io. Mahafantatra toedraharaha iray mitovitovy amin'io ao atsimon'ny firenentsika isika, misy an'ireo hongroà sasantsasany vitsy an'isa eo an-toerana izay te-hanambara ny fahaleovantenany. Ho antsika, Slovàky, tena tsy ho azo ekena ny karazana tranga toa an'io. Tsy misy mihitsy tranga, na izay aza, ka mety hitovian'io amin'ny fomba izay nisarahantsika tamin'ireo Tseky
Mamaly ilay romaina blaogera, Corina Murafa, hoe:
Toy ny milaza fa: “Ekena fa mitovy avokoa ny vahoaka, saingy ny sasany mitovy lavitra mihoatra noho ny hafa”. Rehefa manohana an'ireo hetsika mpitaky fizakantena, na inona na inona antony, “Ho ela velona anie ny Fahaleovantena”. Rehefa manohitra kosa, dia lazaina fa “hafa ny toe-draharaha”, sy “tsy azo ekena ny fisarahana”, sy ny sisa…
Tsilo am-paladiha ho an'ireo fanjakana eoropeana marobe ny fahaleovantenan'i Kosovo. Tsy hety mihitsy ny hoe isaky ny andiana foko iray dia hànana ny fanjakany manokana mahaleotena. Na izany aza, mametraka olana amin'ny fitondràna sy ny fisoloana tena an'ireo vitsy an'isa isaky ny fanjakàna io. Ary somary tsara mandrakariva ny mifanakalo hevitra.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...