Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Marsa, 2018
Kyrgyzstan: Leo Hetsi-panoherana?
Ampahavitrihana no nandalinan'ireo blaogera ny fanapahan-kevitry ny governemanta Kyrgyz mba hanao ny 24 Martsa - andron'ny fikomiana malaza tamin'ny 2005 - ho fety nasionaly iray. Fanitsiana natao tamin'ny Lalàna mifehy ny Asa Kyrgyz, izay milaza manomboka izao fa ny 24 martsa dia ho andro ofisialy hankalazaina toy ny Andron'ny Revolisionan-Bahoaka. Ratsy be ny fanehoankevitra avy amin'ny tontolom-bolongana Kyrgyz amin'ny ankapobeny
Tajikistàna: Firenena Mahantra Manana Fitsaràna Lafo Indrindra
Manana loharanon-karena ampy i Tajikistàna, saingy ny kolikoly lalim-pàka no mahatonga ny vola azo amin'ireny loharanon-karena ireny tsy mameno afatsy ny paosin'ireo olona vitsivitsy
Inona Avy No Nahaliana Ireo Mpamaky Ny Global Voices Tamin'ny Herinandron'ny 19 Feb – 25 Feb ?
Nandritra ny herinandron'ny 19-25 Febroary 2018, nahasarika mpamaky marobe avy amin'ireo firenena maro manerana izao tontolo izao ireo tantara sy fandikana nataonay. Ny nomerao 31 ao amin'ny lisitra? Makedonia. Ary ny nomerao 191? Kaomoro.