Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Jolay, 2013
Borian'i Tailandy ny Fanampiana mikasika ny Vidim-bary
Nanambara ny governemanta any Tailandy fa mihena ny famatsiam-bola ho an'ny vary izay nomeny ireo mpamboly efatra tapitrisa. Natao hampitombo ny tahirin'ireo mpamboly izany. Manameloka ilay tetikasa fitsinjovana ny voka-bary ho niteraka ireo fatiantoka goavana ara-bola teo amin'ny sehatry ny fambolem-bary ireo mpitsikera.
Manapaka samirery ny datim-pifidianana any Zimbaboe ny Filoha Mugabe
Tsy niraharaha ireo fanoheran'ny mpiara-mitantana sy olom-pirenena Zimbaboeana ny Filoha Robert Mugabe, ary nanao fanambarana avy aminy irery fa ny 31 Jolay 2013 no hanatanterahana ireo fifidianana.
Fandavana Tsy Hitondra Fanjakana Intsony: Taorian'i Pays-bàs Sy Belzika, Ho i Espaina Ve Ny Manaraka?
Ny fialan'ireo mpanjaka Eropeana roa tanatin'ny volana vitsy monja dia nahatonga ny vahoaka Espaniola haminavina ny mety hialàn'ny mpanjaka Juan Carlos ho an'ny zanany lahy Felipe. Etsy an-daniny, ny vahoaka Belza kosa miomana handray mpanjaka vaovao izay olom-bitsy ihany no matoky azy.