Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Febroary, 2021
Sary an-drindrina vaovao ao afovoan-tanànan'i Kingston mitondra hazavana ao anatin'ny haizin'ny COVID-19 any Jamaika
Ny seha-pamoronana ao Jamaika, izay nanomboka nahitàna "laingo maitso" marobe indray talohan'ny valanaretina COVID-19, dia voadona manokana - saingy miroso mitondra zavatra vaovao.
Mangataka fihaonambe iraisam-pirenena ny Karaiba ho an’ny fizaràna mitovy ny vaksiny fanefitry ny COVID-19
Ny CARICOM dia ”sahiran-tsaina mafy ny amin'ny tsy fitovian’ny fahafahana mahazo vaksiny”, ary manamarika fa ho sarotra ho an’ireo firenena madinika ny hahazo izany.
Melohin'ny ao Karaiba ny fanapahankevitr'i Trump hamerina an'i Kioba ho ao anaty lisitry ny mpampihorohoro; Antenainy ny fanafoanana izany miaraka amin'i Biden
Antenain'ireo manampahaizana sasany hamerina ny fifanarahana arak'asa amin'ilay nosy ny fitantanan'i Biden/Harris; ireo Kiobàna sasany mpaneho hevitra indray toa tsy mahita ny toy izany. Na ahoana na ahoana, tian'ny CARICOM ny hanesorana an'i Kiobà tsy ho anatin'ilay lisitr'i Etazonia misy ny mpampihorohoro.
Hita ao amin'ny “The China in Africa Podcast” i Nwachukwu Egbunike
Henoy ny tonindahatsoratry ny Global Voices ho an'ny faritra Afrika ambanin'i Sahara, no sady talen'ny Vondrompiarahamonina, miresaka momba ilay andian-dahatsorany vao haingana manodidina ny vaksiny iadiana ny COVID-19 omen'i Shina.