Sylvia Aimée · Novambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Novambra, 2018

Fanaovana Topimaso Blaogy: Ny Fisamborana An'i Radovan Karadzic

  30 Novambra 2018

Na teo aza ny valisoa 5 tapitrisa dolara [teny anglisy] nokasain'i Etazonia homena ho an'izay manome vaovao marina hahafahana misambotra azy, ireo didy iraisam-pirenena fampisamborana nalefan'ny Interpol sy ny tetika nataon'ireo sampam-pitsikilovana miafina sasantsasany, vitan'i Karadžić hatrany ny niàla tamin'ireo fisamborana nandritra ny 13 taona. Namoaka betsaka, naneho hevitra ary nifanakalo vaovao mikasika ny antsipirihan'io tantara mampivanaka io, ireo blaogera ao Balkana.

Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie

  30 Novambra 2018

Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.

Fanasongadian'ny Blaogy Ny Horohorontany Tao Azia Atsimo

  21 Novambra 2018

Tahaka izay nosoratan'i Neha Viswanathan, ilay mpamoaka ny lahatsoratray mikasika an'i Azia Atsimo omaly, ireo blaogera an'ny Sea Eat izay nampiseho taminao an'ireo vaovao farany mikasika an'ireo niharan-doza, ireo vonjy aina sy ireo fahafahana manao fanampiana mikasika ny Tsunami tamin'ny taona 2004, dia zavatra mitovy tamin'ny blaogy South Asia Quake Help no nataony mikasika ny horohorontany tao Azia Atsimo.

Fanentanana Takio ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Kambodza

  19 Novambra 2018

Tamin'ny Fiandohan'ny Taona, nanakoako ireo asan'ny Governemanta Kambodziana mba hampanginana an'ireo tsikera atao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, narahin'ireo fisamborana mpikatroka Mpiaro ny Zon'Olombelona Kem Sokha, Yeng Virak ary Pa Nguon Teang. Ireo fisamborana ireo dia nateraky ny sora-baventy narantiranty noho ny Andro Natokana ho an'ny zon'olombelona natao ny 10 Desambra 2005