Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Oktobra, 2015
Tanzaniana Roa Lahy Nampangaina Ho Nandefa “Vaovao Tsy Marina”, Miatrika Fanamelohana Araka Ny Lalàna Vaovao Mifehy Ny Heloka Bevava Amin'ny Aterineto
Araka ny voalazan'ny fanjakana, efa nandika ny Andininy faha-16 amin'ilay Lalàna momba ny Heloka bevava atao amin'ny aterineto ireo lehilahy roa ireo, izay mandrara ny "famoahana vaovao tsy marina". Vitsivitsy ihany amin'izao fotoana izao no fantatra momba ny raharahan'izy ireo.
Tsy Voasakana Ny Fivarotantena. Na Ao Anatin'i Tajikistan Fatra-Pitahiry Ny Nentin-drazana Aza
"Mba handosirana ny fisamborana dia hitady toerana lavitr'andriana ireo mpivarotena sy ny mpanjifa azy, izay ny vokany dia hampidi-doza an'ireo vehivavy ireo, satria mety hiharam-bono ry zareo,."
Fanafihana Tamin'ny Asidra Nanjo Ireo Vehivavy Iraniana, Tsy Nisy Fisamborana Herintaona Taty Aoriana
"Rehefa miezaka ny hanaraka ny raharaha nanjo ny zanakay vavy izahay dia milaza izy ireo fa handray andraikitra mikasika an'io, saingy hatreto tsy misy vaovao nomeny."
Mifarimbona Hanarina Ny Takaitra Navelan'ilay Tafio-drivotra Tropikaly Erika i Dôminika
Tohin'ny Tafio-drivotra Erika, manana asa fanarenana goavana tsy maintsy atrehany i Dominika, toy ny fiezahany mba hamerina ny lazany maha- "Nosy Natiora" azy ao Karaiba.
Fitaovana Fikajiana Mesoamerican : Taolana Ho An'ireo Kajy Maoderina
Ny nepohualtzintzin, fitaovana iray fikajiana izay nampiasaina tamin'ireo kolontsaina Mesoamerican sasany, no efa ampiasaina ankehitriny ho sahala amin'ny fitaovana fikajiana marina tsara mba hamahàna ireo olana ara-matematika .
Afaka Hanintona ireo Mpijery Ao Amin'ny Tanin'i Telenovelas Ve Ny Fahitalavitra Iranianina?
Anaty vaninandro iray rehefa anoloran'ny fahitalavitra 'melodrames' henjana vokarina ao an-toerana ihany sy avy any ivelany, afaka mahazo vahoaka mpanaraka any ivelany ve ireo Iraniana mpanao tantara mitohy—fenoina soatoavim-pianakaviana sy fanamboamboarana kely?
Ndeha Hihaona Amin'ilay Pretra Ortodoksa Ao Venezoela Miangaly Rock Anaty Rebarebany
Tsy kintan'ny Rock ankafizinao mahazatra akory ny Papa Elias, milalao anaty akanjon'ny pretra. Tsy izy koa anefa no andrandrain'ny maro ho pretra fakàn-tàhaka.
Mandamina Hatrany Ifotony Amin'ny Atrika Atao Amin'Ireo Olan'ny Toekareny i Pôrtô Rikô
Fiaraha-monim-pirenena sivily karazany maro no nanomboka nifamory mba hitady vahaolana mikasika ireo krizy ara-toekarena mahery vaika izay atrehan'ny firenena ao Karaiba.