Fantaro Ireo Mafana Fo Mpiaro Ny Zon'ireo Vehivavy Nofonjaina Tany Arabia Saodita?

“Afaho ireo mahery fo” Ireo Saodiana mahery fo mpiaro ny zon'ireo vehivavy: Aziza al-Youssef, Eman Al-Nafjan ary Loujaïn al-Hathloul. Sary an'ny fanentanan'ny Amnesty International.
Ny famonoana an'i Jamal Khashogg, ilay Saodiana mpanao gazety, tamin'ny oktobra 2018 — izay nolazain'ireo tomponandraikitra Tiorka sy Amerikàna fa maty novonoina noho ny baikon'ny Printsy mpandova Mohamed Bin Salman — dia nitondra hazavana vaovao indray mikasika an'ireo fanitsakitsahana zon'olombelona marobe ao amin'ilay fanjakana.
Ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy ireo mahery fo iraisam-pirenena ary ao amin'ny faritra dia manararaotra an'io fitsirihana io indray ho fotoana hitakiana ny famoahana an'ireo mahery mpiaro zon'olombelona nofonjaina, anisan'izany ireo mpiaro zon'ireo vehivavy.
Fara-fahakeliny, folo ireo mahery fo mpiaro ny zon'ireo vehivavy no nofonjaina ao Arabia Saodita amin'izao fotoana izao, ho valifaty tamin'ireo hetsika nataon'izy ireo mifandraika amin'ny zon'olombelona. Anisan'izy ireo i Aziza al-Youssef, Eman Al-Nafja ary Loujaïn al-Hathloul. Hatramin'ny tapaky ny volana May no nogadraina ireo mahery fo telo ireo, rehefa avy nosamborin'ireo Saodiana tomponandraikitra ary natokany monina tany amin'ny toerana tsy fantatra. Nanao fanentanana avokoa ireo vehivavy rehetra ireo mba hananana zo hamily fiara ny vehivavy ary hanohitra ny rafitra saodiana ‘fiahian'ny lehilahy’ efa lany andro, izay mametraka ny vehivavy ho tsy maintsy maka faneken'ny lehilahy mpiambina azy raha te-hanambady, hampanofa ny tranony ihany, hangataka fahazoandalana na hitsidika any ivelan'ny firenena.
Fanampin'ireo lohahevitra mahasarotiny faratampony ireo, samy nampiasa ny aterineto avokoa ny tsirairay ho an'ireo karazana fikatrohana tsy miankina. Nanolo-tena hisolovava an'ireo sisa velona tamin'ireo herisetra an-tokantrano i Aziza al-Youssef. I Al Nafjan no mpanoratra ny blaogy Saudiwoman, izay nanoratany mikasika ireo zon'ny vehivavy, ireo olana ara-tsosialy ary ny fahatakarana ara-kolontsaina ao anatin'ny fanjakana.
Tamin'ny taona 2014, nankahatra ny fandraràna ny vehivavy tsy hamily fiarakodia i Loujain al-Hathloul tamin'ny fitondrany ny fiarany avy any Emirà Arabo Mitambatra nankao Arabia Saodita. Nandalo fitsaràna Ady heloka bevava manokana izy (SCC), fitsarana mahefa ho an'ireo raharaha fampihorohoroana sy ny fiarovam-pirenena. Folo herinandro taorian'ny fitazonana azy, navotsotra izy ny 12 febroary. Manjavozavo ny momba azy ara-pitsaràna, araka ny voalazan'ny Amnesty International [en].

Al-Fassi eo amin'ny familiana. Sary eo amin'ny kaonty Twitter -n'ilay mpikatroka mahery fo.
Mahery fo iray hafa voafonja ankehitriny, i Hatoon al-Fassi, nosamborina tamin'ny 27 jona, telo andro taorian'ny nanesorana ny fandraràna ireo vehivavy tsy hamily fiarakodia. Araka ny voalazan'ny Gulf Center for Human Rights (GCHR, Ivon-toerana ho an'ny zon'olombelona ao Golfa):
Al-Fassi is a renowned scholar, associate professor of women's history at King Saud University and the author of Women in Pre-Islamic Arabia: Nabataea. She has long been advocating for the right of women to participate in municipal elections and to drive, and was one of the first women to drive the day the ban was lifted.
Mpampianatra malaza i [Mme] Al-Fassi, profesora mpikambana amin'ny tantara mikasika ny vehivavy ao amin'ny anjerimanontolon'ny Mpanjaka Saoud, ary mpanoratra ny Les femmes dans l'Arabie pré-islamique : Nabatéa. Nanolo-tena izy hatramin'ny elabe hiady ho an'ny zon'ireo vehivavy mba handray anjara amin'ireo fifidianana monisipaly sy ny ho afaka mamily fiarakodia, ary izy no vehivavy iray voalohany indrindra afaka nitondra fiarakodia, tamin'ireo vehivavy hafa rehetra, tamin'ny andro izay nanatsoahana ilay fandraràna ny vehivavy tsy hamily fiarakodia.
Taorian'ny fisamborana an-dRtoa al-Youssef, al-Nafjan sy al-Hathloul tamin'ny volana may, sy ireo mahery fo telo hafa, nandehandeha teo amin'ireo mediam-panjakana ireo fanambaràna ofisialy, niampangana an'ireo vehivavy telo ho manohintohina ny fiarovam-pirenena tamin'ny alalan'ireo fifandraisany aminà andrim-panjakana vahiny “mikatsaka ny hanozongozona ny filaminana sy ny fifamatoran sosialin'ny firenena”, hoy ny tatitra nataon‘ny Amnesty. Tokony hiatrika ilay Fitsaràna heloka bevava manokana ihany koa izy ireo.

Sary momba ny fanentanana hahafahan'ireo vehivavy hamily fiarakodia, an'i Carlos Latuff. Sehatra ho an'ny daholobe.
Ny 30 jolay, mahery fo roa hafa no nosamborina, dia i Samar Badawi sy Nassima al-Sadah. Samar Badawi dia anabavin'i Raif Badawi, blaogera iray nahiboka an-tranomaizina rehefa voaheloka hifonja mandritra ny 10 taona ary nahazo vely karavasy in-1.000 noho ny nananganany vohikala iray hahafahan'ny daholobe mifanakalo hevitra, tamin'ny taona 2014. Mahery fo tsy mety reraka miaro ny zon'ireo vehivavy sy ny rariny ara-tsosialy, im-betsaka no nosamborina sy nanaovan'ireo tomponandraikitra Saodiana fanadihadiana i Samar Badawi.
Tamin'ny febroary 2017, naka am-bavany azy nandritra ny ora fito no ny Birao misahana ny fanadihadiana sy fanenjehana am-bavany, mikasika ireo asany fiarovana ny zon'olombelona sy ilay fanentanana mba hampitsaharana ao anatin'ny fanjakana ny fiahian'ny lehilahy manavakavaka .
Mpikambana mpamorona ny Ivon-toerana Al-Adalah Rtoa Al-Sadah, ho an'ny zon'olombelona, fikambanana iray izay nosakan'ny governemanta ny fahazoandalana hiasany. Tahaka an'i Samar Badawi, nanao fanentanana ihany koa i Nassima Al-Sadah mikasika ny zon'ireo vehivavy ary efa talohan'izao izy no nalaina am-bavany mikasika ny maha-mpikatroka azy ho an'ireo zon'olombelona. Nandritra ireo fifidianana monisipaly tamin'ny taona 2015, izay sambany nahafahan'ireo vehivavy nandatsa-bato sy nahafahan'izy ireo nirotsaka ho fidiana, naniry hirotsaka Rtoa Al-Sadah. Roa herinandro mialoha ny fifidianana, tsy nahilika tsy nasiam-panazavana ny firotsahany.
Araka ireo loharanom-baovao sasantsasany, ratsy ny fitondrana an'ireo vehivavy Saodiana mahery fo voafonja eo ampelatanan'ireo mpanadihady azy. Araka ny voalazan'ny Human Rights Watch, fara-fahakeliny telo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona voafonja no nampijaliana ary niharan'ny ‘fampiasàna herinaratra, ireo vely karavasy eny amin'ny fitombenana, ary hatraminà famihinana sy oroka an-terisetra’.
Tamin”ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ireo vehivavy mpiaro ny zon'ny vehivavy, nankalazaina ny 29 novambra, manohy manao antso ho fanafahana an'ireo Saodiana mahery fo ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, amin'ny alalan'ireo fanentanana amin'ny tambajotra, fanangonan-tsonia miisa 240.000 ho an'ny ONU napetraky ny Women's March Global, ary ireo taratasy sy fanambaràna fanohanana tsy hita isa.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...