Vao avy voaongana mihitsy ny praiminisitra Malcolm Tumbull taorian'ny herinandro mahatsiravina nisian'ireo disadisa politika tao Aostralia. Ny mpandimby azy, Scott Morrison no praminisitra faha-enina an'ny firenena hatramin'ny naharesen'i John Howard tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2007. Io no fotoana faha-efatra nisesy nionganan'ny praiminisitra nohon'ny fikomiana anatiny tao amin'ny antokony.
Nipoaka ny tantara noho ny tsy nahavitàn'ny governemanta nahazo ny fanohanan'ireo solombavambahoaka tamin'ilay tolodalàna momba ny Fiantohana ara-angovo ho an'ny firenena (NEG), izay ny fiantohana hananana angovo azo ianteerana no tanjona tamin'izany, ny fidinan'ny vidin'ny herinaratra sy fampihenana ho 26 hatramin'ny 28% hatramin'ny taona 2030 an'ireo haavon'ireo famoahana setroka karbôna ao Aostralia tamin'ny taona 2005 . Ao anatin'ireo rehetra ireo, te-hiala amin'ilay fifanarahana tao Parisy mikasika ny toetrandro ny sasantsasany tamin'ireo solombavam-bahoaka ireo.
Ny alarobia 22 aogositra, M. Turnbull mbola amperinasa, dia nihetsika tamin'ny alalan'ny fanetsehana latsabato miafina tampotampoka ho an'ny fitantanana ny governemanta, nahazoany vato 48 ary 35 no tsy nanaiky. Peter Dutton , minisitry ny Atitany no mpifaninana taminy nampalahelo – izay nanambara ny fialàny sy ny finiavany hijanona eo anin'ny hazakazaka haka ny toerana faratampony.
Nitohy nanaraka izany ny savorovoro niaraka tamin'ny fametraham-pialàn'ireo minisitra sy ny famadihana palitao nataon'ireo olona fantatra amin'ny tontolo politika. Tamin'ny fanasongadinana ny faneken'ny filohan'ny governemanta ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana, nametraka fialàna i Concetta Fierravanti-Wells, ramatoa iray minisitra tamin'ny andron'Ing. Turnbull, ary niampanga azy ho nanao tsinontsinona ny fototra ijoroan'ny antoko mpitahiry ny nentin-drazana, saingy tsy nanara-dia azy daholo ireo namany rehetra avy amin'ny liberaly.
Fanapahankevitra tsy mbola nisy toa azy, namaly bontana Ing Turnbull tamin'ny fitakiana ny sonian'ny maro an'isa amin'ireo mpikambana 43 ao anatin'ny vondrona parlemantera liberaly misy azy, talohan'ny niantsoany fivoriana manokana. Ireo olomboafidy rehetra avy amin'ny Antoko Liberaly ao amin'ny Antenimiera sy ireo Loholona aostraliàna no mandrafitra ilay vondrona parlemantera
Nofihazan'Ing Turnbull ihany koa mba hanome ny heviny ny Lehiben'ny Fampanoavana, momba ny fahafahana atolotry ny lalàm-panorenana ho an'Atoa Dutton amin'ny maha-parlemantera azy, hetsika faharoa izay tsy nahitana vokany:
According to the Solicitor-General, Peter Dutton ‘is not incapable’ …
Don’t you just love a double-negative before your first coffee of the day? #LibSpill— Joan Evatt (@Boeufblogginon) August 23, 2018
Araka ny nambaran'ny Lehiben'ny Fampanoavana, ‘dia tsy olona tsy mahefa’ i Peter Dutton… Tsy mahafinaritra izany, fandavana roa sosona alohan'ny kafe fisotronao rehefa maraina?
Taorian'ny fanambaràn'ny praiminisitra fa tsy ho kandidà izy raha toa ny fivoriana ka handàny spill motion iray [ao anatin'ny tontolo politika aostraliàna, ny spill motion dia filazàna fa misokatra malalaka ho an'ny rehetra ny fifidianana izay ho mpitarika ny antoko], Scott Morrison, mpitambolan'ny antoko, sy Julie Bishop, izay efa minisitra nisahana ny raharaha ivelany sady filoha lefitry ny Antoko Liberaly, dia samy nanambara ny maha-kandidà azy avy raha izany no mitranga. Samy mpanohana fahiny an'Ing. Turnbull izy roa ireo.
Na heverina aza fa politisiana mpampisara-bazana tsy dia tian'ny olona loatra any ivelan'i Queensland, ilay fanjakana niaviany izy, faminanian'ireo media tranainy ny hahalany an'i Dutton.Minisitra miandraikitra ny fifindràmonina, nahatezitra aostraliàna maro izy, izay nahita ny fomba fitondrany ho tsy araka ny maha-olombelona manoloana ireo mpitsoaponenana sy mpangataka fialokalofana. Indrindra fa ny fahorian'ireo voafonja nafindra toerana ao Nauru sy ny nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle Guinée izay niteraka resabe. Nandritra ny herinandro maninjitra, im-betsaka ilay iraniàna mpanao gazety, Behrouz Boochani, no nandefa bitsika ny fomba fijeriny ny fiasan'ilay minisitra:
While Peter Dutton is runing for PM, another 12 year old on Nauru is fighting for her life. This girl should be in school now not on the hospital’s bed. This is the reality of Australia, not Dutton’s smiling face on the national Tv.https://t.co/khGT48ea6r
— Behrouz Boochani (@BehrouzBoochani) August 23, 2018
Raha i Peter Dutton mbola mikatsaka haka ny toeran'ny praiminisitra, misy zazavavy kely iray hafa, 12 taona, miady mba ho velona ao Nauru. Ankizy tokony ho any an-tsekoly izy amin'izao fotoana izao fa tsy tokony ho eny ambony farafaran'ny hôpitaly. Izany no tena Aostralia, fa tsy ilay endrika feno tsikin'i Dutton hita amin'ny fahitalavi-pirenena.
Dutton no lohalefona nitarika tao amin'ny elatra havanana mpifikitra amin'ny nentin-drazana, izay maro no nanohitra ny NEG. Mifanohitra amin'izay, notohanan'izy ireo ny fanaovana toby famokarana herinaratra ahodina amin'ny arintany ary notoheriny ireo hetsika ho an'ny toetrandro sy ireo tanjona momba ny fandefasana entona. Nenjehina i Dutton, nolazaina fa saribakolin'ilay praiminisitra taloha, Tony Abbott, izay lasan'i Turnbull ny toerany nandritra ny latsabato nataon'ny vondrona parlemantera avy amin'ny liberaly tamin'ny 2015. Efa ela no tsy nifankahazo izy ireo: tamin'ny fanonganana anatiny iray tamin'ny 2009, nesorin'i Abbott tamin'ny toerany naha-filohan'ny mpanohitra azy i Turnbull momba ny resaka fanolorana rafitra iray fifanakalozana fetr'isa amin'ny fandefasana entona.
Ilay mpandinika ny politika, Chris Pepin-Neff, manondro an'i Abbott ho ilay lozabe :
I hope history will record that it was @TonyAbbottMHR whose vengeance permeated the failed Dutton #libspill. He wrecked the Gillard Government, his own Government, & the Turnbull Government. Surely this is the story of the week. How one man has trashed 3 Prime Ministers. #auspol pic.twitter.com/rd09koM98H
— Dr Chris Pepin-Neff (@christopherneff) August 25, 2018
Antenaiko fa horaiketin'ny tantara ny hoe ny valifatin'i Tony Abbott no namonto ny tsy fahombiazan'ny ‘spill’ liberalin'i Dutton. Izy no nanozongozona ny governemanta Gillard, ny azy tenany ary ny governemantan'i Turnbull. Tsy asiana fisalasalàna na kely aza fa ity no raharaha mafotak'ity herinandro ity. Ahoana no nahavitan'ny olona iray monja nanipy praiminisitra telo be izao ho any anaty dabam-pako. #Politika_aostraliàna pic.twitter.com/rd09koM98H
Tamin'io fotoana io indrindra, ilay mpilalao an-tsehatra, Rhys Muldoon, naneho mazava tsara ny fahatsapan'ny maro tamin'ireo mpifidy :
Tony Abbott just blew up the Liberal Party. His nincompoop sidekick, Dutton, was just the hand grenade. The hatred in that party room could be an alternative energy source. #auspol
— Rhys Muldoon (@rhysam) August 24, 2018
Napoakan'i Tony Abbott ny antoko liberaly. Ilay akàmany donendrina, Dutton, dia fitaovana fotsiny ihany teny an-tànany. Tokony ho loharanon'angovo afaka natao fanolo ho amin-javatra hafa ny fifankahalàna tao anatin'ny efitranon'io antoko io.
Tsy ireo mpanao gazety malaza na mpaneho hevitra ara-pilitika monja ihany no nandika ilay fanamby nataon'i Dutton ho toy ny valifaty avy amin'ireo mpomba an'i Abbott: misy ireo parlemantera liberaly hafa nandefa fanehoankevitra tsy misy hafa amin'izany momba ilay praiminisitra niala tamin'ny toerany sy ireo nàmany ao anatin'ny antoko.
Rehefa resin'ny mpanohana iray an'i Tumbull aza i Dutton, toa nihomehezan'ilay praiminisitra natao fahirano fotsiny ireo mpifanandrina taminy ary izy no tompon'ny teny farany. Tamin'ny 2015, nahatsiaro ho niharan'ny famadihana ny ankolafy Abbot, resy lahatra hoe tsy nanohana azy afa-tsy teo imolotra fotsiny ihany i Scott Morrison, na dia kristiana fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana aza
Antsy iray hafa nitsatoka tamin'ny feriny, rehefa nandà ny tsy ho filoha lefitra i Julie Bishop, i Josh Frydenberg no nisolo toerana azy, minisitra nisahana ilay rafitra tsy nahomby momba ny angovo teo amin'ny firenena
Samy nanaovan'ireo mpampiasa Twitter esoeso avokoa na i Dutton na i Tumbull. Tany am-piandohan'ny taona, nampangain'izy roa ireo ny governemanta marintoeran'i Victoria ho tsy nihetsika nanohitra ny herisetra nambara fa nataon'ireo andian-jatovo Afrikàna tao Melbourne, renivohitra; Dutton aza tonga mihitsy hatramin'ny fanaovana resaka tsy loabody hoe natahotra tsy sahy nivoaka ho eny amin'ny toerana fisakafoanana ny olona :
People are too scared to go out to dinner in Canberra. There are gangs of old white men with blue ties stabbing each other in the back. They should go back to where they came from. #libspill #Dutton #Turnbull #LiberalParty #auspol
— DavidW2035 (@DavidW2035) August 23, 2018
Raiki-tahotra loatra ny olona ka tsy sahy nivoaka ny trano handeha hisakafo tao Canberra. Misy andian-jiolahimboto fotsy antitra manao fehitenda manga mifanindrona antsy any an-damosina. Tokony hody any amin'izay niaviany izy ireny.
Tsy very tamin'ny fanohanan'ireo mpangataka fialokalofana anefa izy, izay i Scott Morrison no nandrafitra ilay politika fanakanana sambo an'i Tony Abbott :
We do forget how bad Morrison was in his vile cruelty towards asylum seekers. His religious beliefs mean nothing when it comes to desperate people struggling for a safer life from war.
— James Dunstan (@snowycats) August 24, 2018
Tena tsaroanay ny haavon'ny hasiahana tratran'i Morrison tao anatin'ny habibiany nankaloiloy nanoloana ireo mpikatsaka fialokalofana. Tsy midika inona ny finoany rehefa resaka tolon'ireo olona very fanantenana mikatsaka fiainana azo antoka kokoa sy lavitry ny ady no resahana
Na nisy aza fiovàna mpitarika, ny teo ihany no teo ho an'ny Aostraliana maro. Nandefa bitsika ilay vehivavy senatora vaovao avy amin'ny antoko Maitso, Mahreen Faruqi, hoe :
Morrison as Prime Minister is more of the same handouts to corporation, failure on climate change and cruelty to asylum seekers.
His terrible record speaks for itself:#Auspol #libspill
— Mehreen Faruqi (@MehreenFaruqi) August 24, 2018
Morrison amin'ny toeran'ny praiminisitra, ho fanomezana bebe kokoa ho an'ireo orinasa, tsy fahombiazana toy ny teo amin'ny resaka fiovàn'ny toetrandro ary mbola ilay halozàna toy ny taloha manoloana ireo mpitady fialokalofana.
Henjankenjana kokoa ny avy amin'i Sam Regester, mpikambana amin'ny GetUp ilay fikambanan'ireo mpikatroka ara-tontolo iainana :
Reminder Scott Morrison is every bit as evil as Peter Dutton, but just looks less creepy. His cruelty as Immigration Minister was unimaginable.
— Sam Regester (@samregester) August 24, 2018
Fampahatsiahivana: Amin'ny lafiny rehetra i Scott Morrison dia ratsy lavitra noho i Peter Dutton, fa somary tsy dia mampitsangam-bolo fotsiny. Tsy takatry ny saina ny halozàny amin'ny maha-minisitra nisahana ny fifindràmonina azy.
Fintinin'i Kyle Bolto ao anatin'ity bitsika ity ny fanehoankevitra mibahan-toerana be eny anivon'ireo Aostraliana :
A pox on all their houses! Seriously, this is getting embarrassing to explain to people when overseas. #auspol #libspill
— Kyle Bolto (@KYADBO) August 23, 2018
Tokony ho voan'ny pesta any ireo ! Mba marina mafy, lasa tena manahirana ny manazava amin'ny olona rehefa mandeha mivahiny any ivelany ianao.
Miombon-kevira aminà zavatra iray loha ireo mpifidy : tokony ho afaka hitantana mandritra ny fepotoana fiasàna telo taona nomena azy ireo praiminisitra, ary ahiliky ny mpifidy fa tsy ireo parlemantera mpiaradia aminy:
Since I have been allowed to vote not a single prime minister has lasted a full term… What a joke. Funny how they call young people snowflakes and entitled when they are the most emotional, inconsistent and self serving lot in this whole country. #libspill #auspol
— Benjamin Potter (@ben___potter) August 24, 2018
Hatramin'ny namelàna ahy ho afaka mifidy, tsy nisy praiminisira nahavita hatramin'ny farany ny fepotoana fiasàny, na iray aza… Ity ala-hamohamo ity. Tena eso ny filazàna an'ireo tanora vao nisondrotra ho toy ny andian-taranaka “Vongan-dranomandry” izay tokony hotolorana ny zavatra rehetra saingy ry zareo indray no tena be fihetsehampo, tsy mahatombin-tsiraka ary tia tena mieboebo eto amin'ity firenena ity.
Sary famaritana efa tranainy be tsy azo ialàna ny hoe betsaka zavatra mety hitranga mandritra ny herinandro iray ao anatin'ny tontolon'ny politika, saingy noho ny fifidianana federaly hoavy tsy tokony hatao any antenantenan'ny 2019, toa ho toy ny mandrakizay ny fiandrasana izany alohan'ny hanehoan'ireo mpifidy ny heviny momba izay hitantana azy ireo.
Azo arahana ao amin'ny Twitter ny andiany manaraka, amin'ny fikarohana ny tenifototra #libspill, na ny anaram-bosotra nomena ny praiminisitra vaovao :#ScoMo.