
Fiparitahan'ireo Silamo Sionita sy Shiita ao Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra. Sary an'i Peaceworld111 ao amin'ny Wikipedia, nampiasàna ny CC BY-SA 4.0
Tao anatin'ny Kabarim-panjakàna farany nataony, nanambàra ny filoha Amerikana Barack Obama fa efa “an'arivo taona maro tany aloha” ny fifandirana ao Afovoany-Atsinanana. Arabo iray mpanao fikarohana no maka bahana tsara mba hanazavàna amin'Ing. Filoha fa azo lazaina ny zavatra rehetra saingy tsy zavatra efa tranainy be izany io endrika iray amin'ilay fifandirana io– antsoina ankehitriny ho hantsana eo amin'ny Sionita-Shiita.
“Mandalo fiovàna ny ao Afovoany-Atsinanana izay handrafitra ny ampitson'ireo andian-taranaka hoavy, mifàka ao anatin'ny fifandirana izay efa an'arivo taona maro tany aloha,” hoy i Obama.
Tao anaty andianà bitsika maro, nomena lohateny hoe Momba ilay antsoina hoe hantsana “fahagolan-tany” ao amn'ny Sionita sy ny Shiita, Iyad El-Baghdadi, Palestinian mpanoratra, mpanao asa fandraharahana, ary mpikatroka mafàna fo tamin'ny Lohataona Arabo, dia niroboka tao anatin'ny tantara hàka ohatra amin'ireo vanimpotoana fony tsy mbola niraharaha na inona na inona ireo sektan'ny mpikaroka sy ireo politisiana :
In the late 19th century, Shiite scholar Al Afghani was a prominent member of the anti-colonialist, pan-Islamic revival movement.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany amin'ny fiafaràn'ny taonjato faha-19, Al Afghani, shiita manampahaizana fantadaza, dia mpikambana iray nisongadina tao anatin'ny hetsika manohitra ny fanjanahana, fifohazan'ny pan-islamika.
Al Afghani's disciple was none other than prominent Sunni scholar Mohammad Abduh, who would later become Egypt's Grand Mufti.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tsy hafa fa iray tamin'ireo mpianatr'i Al Afghani ilay Sionita manampahaizana fantadaza, Mohammad Abduh, izay taty aoriana lasa Mufti Lehibe tao Ejipta
One of the Sunni Abduh's lasting works was his commentary on Nahj al Balagha, one of most important Shia references.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Iray amin'ireo asa farany vitan'ilay Sionita Abduh ny fanehoankeviny tao amin'ny Nahj al Balagha, iray amin'ireo andinin-tsoratra Shiita tena fakàn-tàhaka
In 1931, Iraqi Shia cleric Kashif al Ghita led Sunni clerics in prayers in Al-Aqsa mosque in Jerusalem, at an anti-imperialist conference.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tamin'ny 1931, Kashif al Ghita, Irakiana Shiita mpitari-pivavahana no nitarika ny fotoam-bavak'ireo mpivavaka Sionita tao amin'ny maoske Al-Aqsa ao Jerosalema, nandritry ny kaonferansa iray fanoherana ny imperialista
In the 1940s, Pakistan, a majority Sunni state, was founded by Jinnah, a Shiite Muslim.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany amin'ny andian-taona 1940, Pakistàna, izay Sionita no ankamaroan'ny ao, dia nanorina ny Jinnah, Silamo Shiita
In the early 1950s people answering the Iraq census didn't know whether to pick “Sunni” or “Shia” coz many were mixed.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany ampiandohan'ny andian-taona 1950 tsy hitan'ireo olona nanaovana fanisàm-bahoaka izy hosoratany na ‘Sionita’ na Shiita’ satria betsaka taminy no safiotra.
In 1958, Egypt's Grand Mufti declared that Shiism will be taught in Al Azhar as the fifth school alongside Sunni schools of jurisprudence.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tamin'ny 1958, nanambàra ny Mufti Lehibe tao Ejipta fa ho ampianarina any amin'ny Al Azhar ny foto-pinoana Shiita ho toy ny sekoly fahadimy milahatra amin'ireo sekoly Sionita nijoro lasa neken'ny lalàna.
In the 1960s Sunni Saudi Arabia supported the Zaydi Shias in Yemen in a civil war against Egypt-supported Republicans.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany amin'ny andian-taona 1960, notohanan'ny Sionita avy any Arabia Saodita ireo Shiita Zaydu tao Yemen nandritry ny ady an-trano notohanan'ireo Repoblikana Ejiptiana
In the 1980s, the majority of the Iraqi army fighting Iran in the Iraq-Iran war was made up of Arab Shias.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany amin'ny andian-taona 1980, ny ankamaroan'ireo miaramila Irakiàna niady tamin'i Iraniàna nandritry ny ady nifanaovan'i Iràka sy Iràna dia Arabo Shiita no nandrafitra azy.
In the 1990s & 2000s, Shiite Iran supported Sunni Palestinian militant group Hamas.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Tany amin'ny 1990 sy 2000, notohanan'ireo Iraniàna Shiita ilay vondrona milisy Hamas an'ny Palestiniana Sionita
Hazavain'i El-Baghdadi bebe kokoa fa ny hantsan'ny “zarazarao hanjakàna” dia manana endrika politika ary “ady feno finiavana hàka fahefàna sy hitsinjarazaràna ny faritra.” Mibitsika izy:
The current dynamic isn't a conflict of sectarianism but a willful and cynical sectarianization of a regional power struggle.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Ny zavamisy ankehitriny dia tsy fifandirana momba ny resaka sekta fa ady feno finiavana haka fahefàna sy hitsinjarazaràna ny faritra
Araka ny lazain'i El-Baghdadi, ireo olondoza be no hany mahazo tombontsoa amin'io fivakisana io ary “natao ho fitaovam-piadiana hakàna fahefàna” ny famakivakiana ho sekta:
Tyrants are rarely ideologically committed to Sunnism or Shiism; but are happy to exploit either when it's expedient.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Ankavitsiana ireo olondoza be no hoe mandà tena mirotsaka amin'ny fampivoarana ny Sionisma sy ny Siisma izany, fa faly manararaotra na rehefa misy mahasoa azy.
Sectarianization became the pragmatic thing to do. Hatemongering ideologues became useful and hence became stars on TV and media.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Lasa ny fanasamàhana ho sekta no zavatra azo takarina hanaovana izany. Lasa nilaina ireo ‘ideologues’ mpamafy fankahalàna ary lasa olomalazan'ny fahitalavitra sy ny media mihitsy aza araka izany.
Fact is, I acknowledge the old theological rift and the communal differences but I emphasize their modern political weaponization.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Ny marina dia izao, fantatro ilay hantsana ara-teolojia goavana sy ny fahasamihafana ara-piarahamonina, saingy tsindriako ilay politikan'ny fanaovana azy ho fitaovampiadiana maoderina
Has the region been sectarianized? Yes. Are the differences real? Yes. Is the current war posturing an ancient theological dispute? No.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia.
Many theological and communal differences are innocuous, mundane, and not particularly deadly, until they are weaponized for power.
— Iyad El-Baghdadi (@iyad_elbaghdadi) January 13, 2016
Marobe ny fahasamihafàna ara-teolojia sy ara-piarahamonina no tsy manohintohina, mahazatra ary tsy mahafaty manokana izany, mandra-mpamadika azy ireny ho fitaovam-piadiana hakàna fahefàna