Tsy malaza noho ireo lemaka mamokatra ao aminy fotsiny ny avaratr'i Nepal, fa koa noho ireo ala mikitroka sy ny hamaroan'ireo bibidia.
Navadika ho valan-javaboahary ankehitriny, tany lonaka natao ho fihazana ilay faritra tany aloha tany. Nampiasain’ireo mpitondra Nepali Rana sy ireo vahininy ho toy ny toerana fihazan'ny mpanjaka sy ireo vahiny nandritra ny taona 1846 hatramin'ny 1951 ny Chitwan National Park ankehitriny .
Lasa miparitaka be ety anaty aterineto ireo vondron-tsary ara-tantara mampiseho ireo sary mahatezitra ahitàna ireo mpitondra Britanika sy Nepale manao fihazàna mandatsa-drà amin'ireo biby marobe, ka anisan'izany ireo tigra, bera ary ireo “rhinoceros”.
Nanomboka tamin'ny Febroary 1876 AD no nihaza ny Mpanjaka Britanika ary nampiantranoin'i Jung Bahadur Rana, praiminisitra tamin'izany fotoana izany, hoy i Subodh Rana manoratra ao amin'ny bilaoginy :
Ny volana Febroary 1876 A.D, tonga mba hihaza tao Banbassa, andrefan'i Nepal, i Albert Edward Printsin'i Wales (Mpanjaka Edward VII taty aoriana), zanaka lahin'ny Mpanjakavavy Victoria, nampiantranoin'ny Praiminisitra Jung Bahadur Rana, ary tamin'izany dia nahatifitra tigra 23 nandritra ny tapa-bolana. Efa niahy an'i Delhi Durbar izy nandritra ny fankalazana ny fanosorana ho mpanjaka Victoria reniny ho Amperoran'i India ny 1 Janoary 1876 A.D. Voasoratra fa tena nahasorena ireo fombafombam-panjakana hoe ny fahatongavany hitifitifitra tany Terai no zava-nisondagina tamin'ny dia nataony tany India.
Taty aoriana, nanaraka ny fombandrazana nanasàn'ny praiminisitra Rana azy, ireo Mpanjaka Britanika. Na ny printsy Franz Ferdinand aza, izay nitarika ny fipoahan'ny Ady Lehibe I tamin'ny taona 1914 ny famonoana azy, tonga hihaza tao Nepal rehefa nasain'ny Maharajah Bir Shumsher ny volana martsa 1893.
Na izany aza, ny tena fandehanana nihaza niharo habibiana sy nahatsiravina indrindra dia izay nataon'ny Mpanjaka George V nivahiny tao Nepal taorian'ny nisalorany ny maha-Amperoran'i India azy ny taona 1911.
Nahafaty “rhinoceros” 18, tigra 39 ary bera lava volo 4 tamin'ny fitifirana ilay andiana mpihaza tamin'ny 18-28 Desambra 1911, rehefa nahazo ny fanasàn'ny Praiminisitra Chandra Shamsher Rana.
Ny mpanjaka izy tenany nitifitra “rhinoceros” valo, tigra 21 ary bera iray.
Ny fihazàn'ny mpanjaka ny Tigra sy ireo “Rhinoceros” tao amin'ny Terai Nepaley ny taona 1911 izay nataon'i Kees Rookmaaker, Barbara Nelson ary Darrel Dorrington no manome antsipirihany momba ilay fihazàna mampihoron-koditra.
Nepal's PM Chandra Shamsher greeting King George V during a hunting trip to the Nepal Terai in 1911 pic.twitter.com/swkboCV96H
— Eddie Du (@Edourdoo) December 12, 2015
Ny Praiminisitr'i Nepal, Chandra Shamsher niarahaba ny Mpanjaka George V nandritra ny andiana fihazàna tao Nepal Terai tamin'ny taona 1911
King George V with the day's kill in Dec 1911. A total of 39 tigers, 18 rhinoceroses & 4 bears were killed. #Nepal pic.twitter.com/TcMTlC86N1
— Nepal History (@NepalInPix) November 24, 2015
Ny Mpanjaka George V miaraka amin'izay matiny ny andron'ny Desambra 1911. Tigra mitontaly 39, “rhinoceros” 18 & bera 4 no maty. #Nepal
1911 – Edward Henry, Former IG of Bengal Police, during a royal hunt with King George V at Narayani, Nepal pic.twitter.com/AO8pkduA2M
— British India (@BritishRajTimes) March 30, 2015
1911 – Edward Henry, Inspektera Jeneraly taloha tao amin'ny mpitandro filaminana tao Bengal, nandritra ny fihazàna fanaon'ny mpanjaka niarahana tamin'ny Mpanjaka George V tao Narayani, Nepal
Voarakitra ao anatin'ireo sary 50 isa avy amin'ny boky firaiketan-tsary natolotry ny Anjerimanontolom-pirenen'i Aostralia ny fihazàna fanaon'ny mpanjaka. Ny trano tranomboky ANU no nanolotra ny maribolana tamin'ireo sary.
Ny lahatsoratra Ny Tifitry ny Mpanjaka Imperialy tao Terai Nepal, ny Desambra 1911 mamaritra ilay fihazàna amin'ny hoe :
[…] Niisa teo amin'ny 14.000 teo ho eo , ary nahitàna mpibaiko elefanta 2.000 ireo manodidina ny Maharaja, izay ao anaty toby mitokana lavidavitry ny faritra ambonin'ilay renirano. Taorian'ny Fotoam-pivavahana ny alahady 24 Desambra 1911, nasehon'ny Maharaja ny Mpanjaka ny angona iray misy karazam-biby maherin'ny fitopolo izay mampalaza an'i Nepal manokana. Nandritra ny fihazàna izay nanaraka taorian'ilay fotoam-pivavahana ny 25 Desambra, nanakaiky ny 600 ireo elefanta nanakombona ny endrika “peratra”. Ny mpanjaka no nitifitra izay tigra ngeza indrindra nalefa tamin'io andro io . […]
Ireo ambany ireo ny sary nofantenana avy amin'ilay fihazana fanaon'ny mpanjaka.
Hafa ankoatra ireo sary ireo, misy koa misy fahatsiarovana mivoitra nandritra izany vanim-potoana izany. Shankarshan Thakur, tonian-dahatsoratry ny The Telegraph, monina ao Delhi, nibitsika hoe :
The hunting lodge built for King George V at Bhikhnathori on the India-Nepal border is now an abandoned gambling den pic.twitter.com/Zye85uoC21
— Sankarshan Thakur (@SankarshanT) July 21, 2015
Lasa teoram-pilalaovana haolo ankehitriny ilay toerana fihazàna namboarina ho an'ny Mpanjaka George V tao Bhikhnathori, tao amin'ny sisintany manasaraka an'i India sy Nepal