Miverina Indray Ny Tetiandro Miboridandridan'ireo Makedoniana Ao Amin'ny Twitter

Macedonian Twitter Calendar for 2016.

Tetiandro Twitter ho an'ny 2016. Saripika an'i Zvonko Plavevski, nampiasàna ny lisansa  CC BY-NC-ND 4.0.

Miverina indray ilay tetiandro miboridandridana nataon'ireo Makedoniana mpampiasa Twitter .

Amin'ny fampiasàna ny tenifototra #ТвитерКалендар(“Tetiandro Twitter”) nanatevin-daharana ny mpakasary Zvonko Plavevski (@Giotto_mkd)  ny roa ambinifolo amin'izy ireo, tamin'ny fanaovana fanambaràna iray ara-javakanto ho amin'à tanjona tsara, miaraka amin'izany koa, ny fihantsiana ny toetsaina mikombon'ny fanjakan-dehilahy.

Nandefa antso iray ny mpanoratra azy tamin'ny volana Oktobra, ary nampiasa koa ny fanadihadiana tamin'ny Twitter mba hamaritana hoe firy amin'ireo vola voaangona tamin'ny fivarotana tetiandro no ho laniana.

Ny tetiandro ho an'ny taona 2013 nanangonam-bola hanaovana sa soa ho an'ny ady atao amin'ny homamiadana, raha toa ka ny iray ho an'ny 2014 nampiroboroboana ny fanabeazana ara-pananahana sy ny miralenta.

Niato kely ny hetsika ny taona 2015 saingy natao ny fanangonam-bola ho an'ny fanontàna ny taona 2016 mba hampiasaina hanampiana ny atleta Gorazd Nikoloski amin'ny adiny amin'ny homamiadana (#ЗаГого)

Nitarika adihevitra mafotaka ilay tetiandro, anisan'izany ny mikasika ny fampiasàna fiboridanana tanteraka.

Nanazava ny heviny i Plavevski hoe:

Tsy fantatro hoe nahoana ny tetiandro Twitter no mampiseho fitanjahana. Saingy fantatro fa izay no fomba nahazatra azy, ary tiako ho tohizana ilay izy. Miankina aminao ny habetsahan'ny faritra amin'ny vatanao tianao haseho. Safidinao io raha maniry ny tsy hitonona anarana ianao na hampahafantarina ny maha-ianao anao. Na raha tianao haseho koa ny endrikao. Hamidy ny tetiandro avy eo ary hatao fanomezana ny vola azo. Arahabaina ianao raha manana fahatokiana sy herimpo.

Nampahafantarina nandritra ny hetsika iray tamin'ny 12 Desambra ilay tetiandro .

Nanomboka teo dia afaka nividy ireo dika mitovy voatonta avy amin'ny mpanoratra ireo mpividy sy ireo mpamatsy vola liana amin'izany.

Fotoana fampahafantarana ilay tetiandro [sary nalaina tao an'efitrano]

Tahaka ny famoahana teo aloha, ireo sary rehetra amin'ny tetiandro Twitter dia navoaka teo ambanin'ny lisansa Creative Commons Attribution NonCommercial NoDerivatives (CC BY-NC-ND 4.0) avokoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.