Toerana fizahantany malaza ankehitriny ny Ha Long Bay ary Toerana anaty Lova Iraisampirenen'ny UNESCO. Sary avy amin'ny The New York Public Library Digital Collections. 1900 – 1909 (Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York ).
Ny 6 Janoary 2016, nambaran'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York fa maherin'ny 180.000 ireo zavatra dizitaly ankehitriny no tafiditra anatin'ny tahiry dizitaliny ho an'ny daholobe. Midika izany fa azon'ireo mpamaky ety anaty aterineto atao ny miditra sy mitroka maimaimpoana ireo raki-tsarobidy tsy fahita firy, sy zavatra voatahiry ao. Ankoatra izay, amporisihan'ilay tranomboky ny olona mba hitrandraka io tahiry dizitaly io sy hamerina hanafangaro azy ireny mba hamoronana sy hizaràna vontoaty vaovao.
Ampahany amin'ireo rakitra dizitaly ireo karatra paostaly tranainy avy any amin'ny faritra Azia-Pasifika, mampiseho ireo olona niaina tany amin'ireo firenena voazanaka taminìizany fotoana izany. Ny sasany amin'ireny karatra paostaly ireny no manasongadina an'i Vietam tamin'ny vanimpotoana nifehzan'ny Frantsay mpanjanaka azy tany ampiandohan'ny taona 1900. Karatra paostaly manome topimaso tsy fahita firy momba ireo endriky ny tanàna vietnamiana, ireo fombandrazan'ny teratany, ny varotra ary ny fiainana tany afovoan'ireo tanànan'ny mpanjanaka. Topazo maso àry.
Ny Teatra ao Hanoi , Rue Paul-Bert. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York
Tigra tratra sy matin'ny fandrika. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York. 1909
Sarety eny an-dalamben'i Saigon. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York. 1908
Tetezana Cantilever tao Hanoi. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York
Tranon'ny Opera ao Saigon. Saryavy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1910
Ireo kalesy volafotsin'ny Chetties. Filaharana ara-pinoana natao tao Vietnam. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York
Tranosambo iray eo ambonin'ny renirano iray ao amin'ny faritanin'i Nam Dinh. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York.
Ankizy vietnamiana ao Saigon. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York.
Nam-Dinh Pier. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1911
Zahatra natambatra tao amin'ny faritanin'i Tuyen-Quang. Sary avy amin'ny Tahiry Dizitalin'ny Tranombokim-Bahoaka ao New York, 1900 – 1909.