Lahatsoratra farany an'i imanoela fifaliana tamin'ny Desambra, 2018
Vietnam: Tolokevitra Ara-tsakafo ao Hue
Mitsidika an'i Hue, ilay renivohitr'i Vietnam taloha, i Vietnamese God amin'izao fotoana izao. Manana sary vitsivitsy momba ny sakafo any an-toerana sy tolokevitra mikasika ny trano fisakafoana ilay bilaogera.
Singapaoro: Diwali ao ‘Little India’
Mitsidika ny faritr'i Little India ao Singapaoro i Sparklette mba hijerena ireo lanonana Deepawali.
Indonezia: Fankahalàna Anaty Aterineto
Tsy dia tsara loatra ny fifandraisan'i Indonezia sy i Malaizia tato ho ato noho ny samy filazan'ny roa tonta ho tompon'ireo rakitry ny ela ara-kolontsaina zarainy. Manoratra mikasika ilay fifandirana anaty tambajotra eo amin'ireo mpampiasa aterineto avy amin'ireo firenena roa ireo i Carla.
Indonezia: Hafanana Ateraky ny Amboara Eran-tany & Bilaogin'ny Minisitra
Na dia tsy mahatratra ny dingana farany amin'ny Amboara Erantany amin'ny Baolina Kitra/'Soccer' mihitsy aza i Indonezia taorian'ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1945, ny soccer foana no fanatanjahantena malaza indrindra ao amin'ny firenena. Noho izany, nanokana lahatsoratra momba ny Amboara Eran-tany atao any Alemaina ireo bilaogera maro ao an-toerana.
Ireo Nisongadina nandritra ny Fetiben'ny Rano tao Kambodza
Notanterahina ny 15-17 Novambra ilay Fetiben'ny Rano ("Bon Om Tuk"), fetibe mihetsiketsika indrindra ao Kambodza. Araka ny voalazan'i Jinja, manamarika ny fiandohan'ny maintany sy ny Bon Kathan (fomba Bodista fatao isan-taona izay anomezana akanjo rebareba vaovao ho an'ny moanina) io Fetibe io.
Indonezia: Lehilahy Masina Mpampirafy ary Fahafahambaraka Nanjo ny Depiote Iray Amin'ny Resaka Firaisana Ara-nofo
Tsy misy zavatra tena mahavery hevitra noho ny resaka eo amin'ny tontolon'ny blaogy Indoneziana nandritra izay herinandro vitsy lasa izay. Miresaka mikasika tranga roa toa mitovy fa nefa tsy mifandray : ny vady faharoa an'i Aa Gym sy ny fahafahambaraka nanjo ny depiote Indoneziana iray avy ao amin'ny Antoko Golkar noho ny resaka firaisana ara-nofo.
Tet (Taombaovao) any Viet Nam
Fety nentim-paharazana lehibe indrindra ny Tet - Taombaovao manaraka ny fihodin'ny volana any Viet Nam - hajain'ny Vietnamiana rehetra, na dia ireo any ivelany aza. Mbola miezaka ny mividy entana nentim-paharazana toy ny voninkazo, zavamamy ary kobambary miendrika efamira ho an'ity fety manokana ity ny fianakaviana rehetra ao Viet Nam, na manam-bola na tsia.
Nambaran'i Thaksin Shinawatra, Praiminisitr'i Tailandy, ny Fanafoanana ny Parlemanta
Nambaran'ny Praiminisitra Thaksin Shinawatra tao amin'ny fahitalavitra nasionaly ny fanafoanana ny Parlemanta rehefa avy nahazo fihaonana niaraka tamin'ny Mpanjaka.
Mianatra ny Fandihy Rock ilay Blaogera Kambodiana Little Sopha
Araka i Tharum, niteraka ''onjam-pifaliana teo amin'ny taranaka tanora indrindra tao amin'ny firenena'' ny vaovao fa nampiditra daty iray ho ao Phnom Penh ny fandaharam-potoanan'ny tarika rock Danoà iray izay antsoina hoe Michael Learns To Rock.
Sary Flickr Avy any Ghana
Sary Flickr Avy any Ghana