Topimaso Mivantana Tsy Fahita Firy Amin'ny Indostrian-damaody Pakistane Vao Mivoatra

Raha mbola mitohy mampihorohoro an'i Pakistana ny herisetram-pivavahana sy ny fanafihan'ireo drôna Amerikana, mampanantena fitsaharana kely kosa  lavitry ny ahiahy ny herinandron'ny lamaody farany any amin'ny firenena.

Ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistana dia halefa mivantana amin'ny 9-10 Aprily 2013 avy any Karachi ary hampisehoana ireo zaitra avy amin'ny Pakistane 27 mpanjaitra lamaody.

Raha tsy dia mahaliana ny firenen-kafa izany, manana anjara toerana lehibe kosa ny lamaody amin'ny fiainana Pakistane.

Herinandron'ny lamaody any Pakistana

Hatramin'ny 2009, nampiantrano herinandron'ny lamaody am-polony maro i Pakistana. Ireo ‘Herinandron'ny Lamaody’ ireo dia manome an'izao tontolo izao topimaso tsy fahita firy amin'ny indostria vao misandratra sy efa matianina izay mampiseho fa tsy henjana na mpiaro ny nentin-drazana araka ny eritreretin'ny maro ireo fepetra ara-kolotsaina any Pakistana.

Ity andian'ny Herinandron'ny Lamaody Lohataona/Fahavaratra 2013 any Pakistana ity dia arahan'ny hetsika lamaody roa hafa ny Aprily –  Ny Herinandron'ny Peta-kofehy any Karachi izay hifantoka amin'ny akanjo mariazy, ary Lahore koa dia hampiantrano Herinandron'ny Lamaody iray hafa.

Global Voices dia nitafatafa tamina mpanjaitra telo mandray anjara amin'ny hetsika, izay nanazava fa na dia eo aza ny zava-mitranga amin'ny fireneny, izy ireo kosa tsy mitsahatra ny manao zava-baovao sy mamorona:

Fashionably yours -Zari Faisal avy amin'i Faisal Kapadia ao amin'ny Vimeo.

Fashionably yours – Hasina Khanani avy amin'i Faisal Kapadia ao amin'ny Vimeo.

Fashionably yours – MONA IMRAN avy amin'i Faisal Kapadia ao amin'ny Vimeo.

Mampiasa teknolojia koa ireo mpanjaitra mba hisarihana tsena. Ohatra goavana amin'izany ity tsena amin'ny aterineto ity izay hahitàna ireo akanjo, ora vitsy aorian'ny hanaovana azy filatroana miaraka aminy, ho an'ireo izay te-hividy na any an-toerana na avy ivelany.

Natao handravàna ireo fetran'ny haino aman-jery sosialy ihany koa ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistana. Tsy vitan'ny hoe halefa mivantana ihany ny hetsika, fa hitantara izany ihany koa ireo mpitoraka blaogy momba ny lamaody, tahaka an'i Nida Moughal sy ireo sasany mpampiasa Twitter. Olana lehibe anefa ny aterineto; mizaka olana amin'ny koriana ny faritra iray manontolo satria simba ny roa amin'ireo tariby efatra ambany ranomasina izay mampifandray an'i Pakistana amin'ny aterineto.

Mpanara-damaody manohitra an'i Taliban

Nanamarika ny fanombohan'ny hetsika Mpanara-damaody manohitra an'i Taliban (#FAT) ihany koa ireo olana ara-pandriampahalemana sy ireo fandrahonan'i Taliban tamin'ny Herinandron'ny Lamaody voalohany tany Pakistana tamin'ny taona 2009. Nisarika ireo mpitati-baovao momba ny ady avy tany amin'ny firenena manodidina hankao Pakistana hiresaka ny lamaody izany hetsika izany ary niteraka bitsika mandranitra, sary maneso ary ity vondrona Facebook ity zay nanaparitaka hevitra “culte” teo amin'ireo mpampiasa tambajotra sosialy tao amin'ny firenena.

Untitled-1-01

Pakistane Mpanjaitra lamady Deepak Perwani. Sary nahazoana alàlana.

Sabahat Zakariya (@sabizak_), izay milaza ny momba azy ao amin'ny Twitter fa ‘mpialikalika nivadika ary mpibitsika momba ny fiainana’, dia manamarika hoe:

@sabizak_ (Sabahat Zakariya): #FAT “@tammyhaq: Misaotra an'Andriamanitra noho ny fotoanan'ny herinandron'ny lamaody. Hanome fialan-tsasatra kely ho antsika ireo herinandron'ny lamaody mifanesy taorian'ny fahasahiranana noho ny fifidianana”

Matetika anefa dia esoesoina kely ny #FAT mba hanalàna azy amin'ny tambajotra sosialy Pakistane.

Mosharraf Zaidi (@mosharrafzaidi) mpiasa birao sady mpanoratra tsanganan-dahatsoratra fanta-daza amin'ny fomba fiteniny somary masiaka, dia maneso:

@mosharrafzaidi (Mosharraf Zaidi): Fomban'i Taliban mihitsy izany! RT @holland_tom: “Ny hanimpitoloha sy ny fahadalàn-damaody dia mariky ny aretina anatina firenena iray.” – Seneca. #FAT

Shahid Saeed (@shahidsaeed), mpitoraka blaogy mpanadihady sady mpampiasa Twitter dia nibitsika sarin'ny mpanao politika Pakistane izay fantatra amin'ny lokom-bolony mitovy amin'ny an'ireo “punk” mpanao fanatanjahan-tena:

@shahidsaeed (Shahid Saeed): Izany ny volon'i Shireen Mazari #FAT twitter.com/afi_alikhan/st…

FPWcoverphoto2 (2)

Sary ho an'ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistana – sary nahazoana alàlana

Samra Muslim (@samramuslim), milaza ny tenany ho mpankafy kiraro, varotra, ary haino aman-jery dia nibitsika momba ny tabataban'ny tambajotra sosialy manodidina ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistana:

@samramuslim: Miandry ny #FPW izao – mahatsapa mafy tokoa fa ho #trangafandinika goavan'ny #tambajotrasosialy  any #Pakistana izany! Mazotoa @fashionpakistan @dperwani

Umair Mirza (@Umairmirza) dia nankalaza ny herinandron'ny lamaody tamin'ny fampifandraisana izany amin'ny “vanim-potoana dizitaly”:

@Umairmirza: ity no #FPW mampifandray indrindra ! ho tsapanao fa tahaka ny tany an-toerana ianao ! misaotra @fashionpakistan. fitiavana ny VANIMPOTOANA DIZITALY izany !

Ity hetsika ity, izay mety hanome endrika hafa an'i Pakistana, dia azo jerena ato:

 

Ny mpanoratra ity lahatsoratra ity, Faisal Kapadia, no miandraikitra ny momba ny fampitàna  mivantana sy ny tambajotra sosialin'ity hetsika ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.