Tantara mikasika ny Però tamin'ny Aogositra, 2017
Però: Fanavakavahana eny amoron-dranomasina
Milaza ny olona fa tsy misy maharatsy ny miasa, fa tsy misy asa tokony hahamenatra izany. Toa mitombona izany, nefa toa tsy ny rehetra no mieritreritra toy io. Tato ho ato, nanjary fanta-daza noho ny fanavakavahana sy ny fanaovana anjorombala ireo "mpiasa an-trano" i Asia, torapasika iray ao atsimon'i Lima, ao Però.
Tondradrano, Pisco, ary Fampianarana Maimaimpoana
Ny iray amin'ireo lohahevitra maro tena nahasarika ireo antoko liana tamin'ny adihevitra dia ilay tolokevitra naroso hanajanonana ny fandoavana saram-pianarana eny amin'ny anjerimanontolom-panjakàna
Lahatsary : Ireo Fandaharana Fampahafantaram-baovao Ho An'ireo Tanoran'ny Kids News Network
Manome fahafahana ireo ankizy any amin'ireo firenena samihafa mba hijery ireo fandaharana mikasika ny zava-misy natokana indrindra ho azy ireo, amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto, mba ho afaka mikaroka sy mizara amin'ny aterineto ireo heviny, ny tambajotra Kids News Network.
Nametraka Ny Rejisitry Ny Mpandikatenin'ny Tompotany I Arzantina
Nametraka ny Rejisitry ny Mpandika ny Fitenin'ny Tompotany i Arzantina taorian'ny raharahan'i Reina Maraz izay tany am-ponja nandritra ny telo taona noho ny antony tsy fantatra satria tsy nisy ny mpandika teny Quechua tao amin'ny firenena.
Atakalon'ny Tanora Peroviana Hareza sy Hety Ny Fitaovampiadiana
Vahaolana misy fahaizamamorona ho anà olana goavana. Ho an'ny tanora ao Però, lasa nasolo ny heloka bevava ny fanaovana ny asan'ny mpanety volo.