Tantara mikasika ny Però tamin'ny Jona, 2013
VIDEO: Ny Fomba Mety Handratran'ilay Fifanarahana Trans-Pasifika Ireo Mpampiasa Aterineto

Misy lahatsary iray vaovao manazava ny mety hisian'ny voka-dratsy mampanahy ho an'ireo mpampiasa Aterineto aterak'ilay fifanaraham-barotra goavana nifanaovan'i Etazonia sy governemanta folo hafa avy any amin'ny faritra Pasifika, ilay Trans-Pacific Partnership (TPP).
Pero: Mitovy Dika Ve Ny Fahalalahana Sy Ny Tsy Fanjarian-tSakafo ?
Niteraka adihevitra teo amin'ny vahoaka ilay lalàna vaovao navoakan'ny Filoha Peroviana Ollanta Humala momba ny fampiroboroboana ny Sakafo Ara-pahasalamana ho an'ny Zazalahy, ny Zazavavy ary ny Adolatsento, maneritery ny fahalalahan'ny safidin'ireo ray aman-dreny amin'ny fomba fitaizany ny zanany izany. Ny hafa kosa mahita izany ho fandrahonana ny fahalalahan'izy ireo amin'ny fanaovany ny dokam-barony.
TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?

Hivory mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon’antoka manerana an’i Pasifika (Trans-Pacific Partnership-TPP) i Etazonia sy ireo fanjakana folo manodidina an’i Pasifika. Hatrany am-boalohany dia nafenina io fivoriana momba ny fifanarahana io, saingy mifototra amin’ilay taratasy niparitaka sy ny tsy maha-demokratika io rafitra io dia manana ny antony rehetra tokony hanairana ny mikasika ny zon’ny mpamorona voarakitra ao anatin’io fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena io ireo mpandray anjara rehetra.