Tantara mikasika ny Però tamin'ny Oktobra, 2017
Però: Inona No Mamono Ireo ‘Feso’ Ao Amorontsiraka Avaratra?
Nitarika korontana ny vaovao milaza fa feso 3000 no hita maty tamin'ny taona 2012 teny amin'ireo morontsiraka avaratri Però. Mampiasa ny tambajotra sosialy ireo Peroviana sy mpikatroka, tsy hoe fotsiny ho fampahafantarana ny fisian'ilay fandringanana sy hanairana ny saina, fa koa mba hanadihadiana izay antony.
Però: Mifaninana Hahazo Loka Ny Lahatsary Fanadihadiana Iray Mikasika Ny Fampianarana Ambanivohitra
Mampahafantatra antsika mikasika ny fizaran'ny horonantsary fanadihadiany fohy izay maharitra 6 minitra 'Camino a la Escuela' ilay mpanatontosa Humberto Saco , izay ho alefa ao amin'ny Current TV ao anatin'ny fifaninanana Seed of Tolerance ; fifaninanana iray natao ho an'ny mpanao gazety sy ny mpamokatra sarimihetsika...
Ny Vola Inti Fahatsiarovana Ny Fotoana Nahamontsana ny Toekarena Peroviana
Raha Peroviana ianao ary maherin'ny 35 taona, mety ho tsaroanao ny fotoana nahagaigy ny toekarenan'i Però, indrindra nandritra ny tapany faharoa ny taona 1980.
Però: Ny Ranom-boankazo Amazoniana
Alejandro, Peroviana monina any Kalifornia izay namaritra ny bilaoginy samihafa ho "tetezana eo anelanelan'i Kalifornia, Però, izao tontolo izao, ny tenako, izy ireo no fitaratra." Niverina tany Però izy vao haingana ary sambany nitsidika ny faritra avaratra atsinanan'i Amazonia sy naka sary maromaro mampiseho ny fivarotana sakafo eny an-dalambe ao an-toerana ho an'ny tranonkalan'ny bilaoginy mampilela-molotra Peru Food.
Nahatohina an'i Amerika Latina Ny Famonoan'ny Mpamily Taksy Cabify An'i Mara Castilla
Tohina tamin'ny famonoana an'i Mara Castilla i Meksika sy ny firenena Amerika Latina hafa izay nizara ny hatezerany manoloana ity tranga famonoana vehivavy vaovao ity.
Mampitandrina Momba Ny Fanondranana Olona An-tsokosoko Ny Fanentanana Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Però
Nanao ny fanentanana "Que no te encuentren" (Aza avela hahita anao ry zareo) ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny Peroviana mba hiadiana amin'ny fanondranana olona an-tsokosoko ao Però.
Teny Quechua Andefasana ny Fientanan-kafaliana Hilazana ny hoe “Gooooooooal”
Nandritry ny hazakazaky ny firenena hahazo toerana amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany amin'ny baolina kitra hatao amin'ny 2018, nizara tamin'ny teny Quechua ny fampitàna ny lalao ireo mpitantara baolina tao Però