Tantara mikasika ny Però tamin'ny Mey, 2013
Però: Fitokonana Tao Iquitos Hanoherana Ny Kolikoly
Fitokonana iray nandritra ny 24 ora tao amin'ny tananan'i Iquitos, ao amin'ny faritra Amazona Peroviana no nikendrena hisarihana ny saina amin'ny fihetsika mampiahiahin'ny Governemantam-paritr'i Loreto ary ny fomba fikirakiran'ny Fahefàna Mpanao Lalàna an'ireny tranga ireny
Fisidinana Tamin'ny Voromby Tsy Miankina Nanozongozona Ny Fitondrana ao Costa Rica
Nanozongozona ny fiadidiana ny filoha sy ny firafitry ny mpiara-miasa aminy ny vaovao fa nanome fiaramanidina manokana hisidinan'ny filoha Laura Chinchilla ho any Però ny orinasan-tsolika iray. Tamin'ny voalohany ny anton-dia dia...
Hafatry Ny Peroviana Ho An'ny Filoha: Tsy Azo Ifampiraharahana Ny Zonay Ao Anaty Aterineto

Ny nahatonga ireo tambajotranà ONG Peroviana fanta-daza, isan'izany ny RedGE sy ny Hiperderecho, hanao fanentanana hitaiana amin'ny Filoha Ollanta Humala Tasso hametraka fetra maza sy tsy azo hifampiraharahana, mba hahafahana matoky fa voahaja ny zo fototry ny Peroviana ao anatin'ny TPP. Mety hanamafy kokoa ny endriky ny lalàna Peroviana momba ny fizaka-manana izay miteraka resabe izy io ary hametra ny fahafahan'ny Kôngresy Peroviana hiditra amin'ny fanovàna ny lalàna nasionaly mba hamaliana ny filàn'ireo IP izay miovaova sy ny zava-misy iainan'ireo olom-pirenena Peroviana ary ny sehatry ny teknolojian'izy ireo izay an-dàlam-pitomboana.