TPP: Loza Goavana Mananontanona Ny Aterineto Erantany Hatramin'ny ACTA?
Niarahan'i Maira Sutton sy Katitza Rodriguez avy ao amin'ny Electronic Frontier Foundation nanoratra ity lahatsoratra ity. Hita eto ny lahatsoratra niandohana.
Hivory indray any Lima, Però ny 15-24 May i Etazonia sy ireo governamanta folo manodidina ny faritr'i Pasifika mba handinika ilay fifanarahana ara-barotra Fiaraha-miombon'antoka manerana an'i Pasifika (Trans-Pacific Partnership (TPP)). Loza vaovao faran'izay ratsy indrindra mananontanona ny aterineto ny TPP hatramin'ny nisian'ny ACTA (Anti-Counterfeiting Trade Agreement). Koa satria fivoriana miafina hatrany am-boalohan'ny dingana, dia nitady ny hahalala bebe kokoa ny momba ilay fifanarahana mifototra amin'ny drafitra niparitak’ [PDF] ilay fifanarahana tamin'ny Febroary 2011 ireo mpanisika hevitra. Mifototra amin'izay lahatsoratra izay, nivoaka ny antontan-kevitra hafa, ary ny endrika tsy maha-demokratika ilay dingana manontolo, manana ny rariny mihitsy isika ny ho taitra mikasika ny fampiharana ny zon'ny mpamorona voarakitra ao amin'ity fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena ity.
Tahaka ny nanafatra ny sasany amin'ireo lafiratsin'ny lalàna Amerikana momba ny zon'ny mpamorona ho any amin'ireo firenena any Pasifika ny TPP : fandraràna tanteraka ny famahàna ny hidy dizitaly amin'ireo fitaovana sy ny tsangan'asa (na dia ny ho fampiasàna araka ny lalàna aza), ny fiarovana ny zon'ny mpamorona ho fitopolo taona aorian'ny fahafatesany fara-fahakeliny ( 50 taona aorian'ny fahafatesana ny fifanarahana iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao), fanomezana ho an'ny vondrona tsy miankina ny fampiharana ny sazin'ny fandikan-dalàna momba ny zon'ny mpamorona, ny onitra ho an'ny fahaverezam-bola nefa tsy misy porofo mazava ary ny fangalàn'ny fanjakana ireo solosaina sy fitaovana voalaza fa nampiasaina ho amin'ny fangalarana. Ambonin'izay, mbola ratsy lavitra noho ny lalàna Amerikana mifehy ny zon'ny mpamorona ny TPP : tsy mampita ireo didim-pitsaràna maro sy ireo zava-maningana ao ambany lalàna Amerikana izay manome tombony ny tombontsoan'ny vahoaka izy ity no sady miasa tahaka ny varavarana kely fivoahana raha misy loza, amin'ny fameperana ny fiarovana ireo tompon'ny zo.
Fa ny loza dia hanangoly ireo olona sy orinasa mpampiasa aterineto, hanova ny fitondrantenany sy ny fahafahany mamorona ety amin'ny tranonkala ny zava-boarakitr'io dika vonjimaikan'ilay fifanarahan'ny TPP io. Ny hampivondronana ireo firenena manodidina an'i Pasifika ho fanatsarana sy fandaminana ny lalàna ifampifehezany amin'ny varotra no nambaran'ny TPP fa tanjony, fa raha ny marina dia zavatra hafa mihitsy mihoatra noho izany izy io. Hanery ireo firenena nanao sonia hanova ny lalàna mifehy ny zon'ny mpamorona ao aminy ny toko momba ny “fizakà-manana ara-tsaina” ao amin'io fifanarahana ara-barotra mafonja io. Tsy fanovàna ireo lalàna efa misy ihany fa famerana ihany koa ny tsy hanaovana lalàna vaovao mifandanja kokoa amin'ny hoavy hifehy ny zon'ny mpamorona ny fanekena io lalàna vaovao io.
Io paikady io dia mety hanohintohina mafy ireo lalàna efa tsara fipetraka any amin’ire firenena toa an'i Shili, izay ilàn’ny ISPs ny baiko avy amin’ny fitsarana mba ho azo tànana ho tomponandraikitra raha misy ny fanitsakitsahana ny zon’ny mpamorona na fanafoanana votoaty. Ny rafitra tahaka itony no miaro kokoa ireo mpampiasa sy ny mpanelanelana amin'ny fanafoanana tsy araka ny tokony ho izy na nateraky ny sivana. Raha toa ka manery ireo firenena hanangana rafi-pitondràna fampitandremana sy fanafoanana votoaty fehezin'olon-tsotra ny lahatsoratra voarakitra farany ao amin'ny TPP, dia mety ho izay no vita ny amin'ny rafitra misy any Shili. Mety hanozongozona ny rafitra misy any Kanadà koa io.
Mbola afaka sady hanohy hampiasa ny heriny ara-toe-karena sy ara-politika mba hanaovana lalàna miaro ny tombontsoany ireo orinasa mpamokatra sarimihetsika, mozika ary votoaty hafa. Nataony izany niaraka tamin'ny SOPA sy ny ACTA, ary izay ankehitriny no mitranga miaraka amin'ny TPP [es]. Fanamby ny handresena ireny politika ireny. Fanamby lehibe ny ady atao amin'ireo politika ireo, nefa azon'ny mpampiasa atao izany. Heverina ho vita amin'ny volana Oktobra ny TPP, nefa ny tarigetrantsika dia ny hanalàna izay ratsy indrindra ao anatin'ireny fepetran'ny zon'ny mpamorona ireny. Ny fiadiana tsara indrindra dia ny fanehoantsika fa tsy milefitra amin'izany isika : mangataka fomba fiasa malalaka sy mangarahara mety amin'ny rehetra, ahitàna ireo manana traikefa avy amin'ny vondron'olon-tsotra, hanadihady, hanontany ary hikaroka ireo hetsika rehetra mikendry hifehy ny aterineto. Tsy maintsy hatsahatra indray mandeha tsy miverina io tsiambaratelo io.
Eo am-piasàna mba hanova ny paikadin’ny TPP sy hampiharihary ny ahiahin’ny mpampiasa ireo mpiaro ny zo dizitaly maneran-tany. Afaka manatevina lahàrana ny fanentanana tarihan’ny ONG Kanadiana OpenMedia ireo mpampiasa any amin’ny firenena samy hafa amin’ny fanapotserana eto. Ireo mpampiasa any Etazonia dia afaka mifandray ao amin’ny fanentanan'ny EFF, mitodika amin'ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy Amerikana, izay mangataka ny hamoahana avy hatrany ny lahatsoratry ny TPP ary mangataka ny tokony haha-demokratika sy mangarahara ity dingana ity.
Misy sary (infografia) avy amin'ny EFF manazava ireo endrika tena maizina fonosin’ny TPP ito ambany ito. Iangaviana ianao mba hanaparitaka ny feo momba ny fiantraikan’io fifanarahana io aminao sy ny firenenao. Manaova potsitra havanana dia raketo ny sary PNG, na azonao trohana ito endrika PDF eto ambany ito. Amboary, adikao ny teny. Tsy maintsy arovantsika amin’io fifanarahana miafina io ny Aterineto.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...