Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Goatemalà tamin'ny Novambra, 2018

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

Lahatsary: Mihatsara hatrany ny toe-draharaha iainan'ireo tanora pelaka

Natombok'i Dan Savage ho toy ny fomba hanakanana ny tovolahy pelaka tsy hamono tena ny tetikasa It Gets Better, amin'ny alàlan'ny lahatsary manazava ny mety ho fiainan'ny olon-dehibe pelaka: tsara kokoa. Ary avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, mizara ny tantarany ihany koa ny olon-kafa.

Ny fahatongavan'ny valalamanjohy no ahitan'i Meksika ny lafiny maha-tsy tia mpifindramonina azy ihany koa

Efa ela i Meksika no nanana fombandrazana ireharehany amin'ny fanokafany varavarana amin'ireo enjehina, lasa an-tsesintany, na lasibatry ny herisetra[...] Fa nahoana no misy ny mpialokaloka kilasy voalohany sy kilasy faharoa?

Fanavaozana mikasika ilay Rivodoza Stan avy amin'i Oscar Mota

Vao nifandray mivantana tamin'i Oscar Mota mihitsy aho izao, izay nandrakotra ny faharavàna nateraky ny rivodoza Stan tao Goatemala, tao DesdeGuate.com avy tao an-tranony tao Guatemala City. Sombiny voadika tamin'ny resaka nifanaovanay avokoa ity lahatsoratra ity.

Goatemala: Firaisankina ho an'i Haiti taorian'ny horohorontany

Tamin'ny taona 1976, nisy horohorontany nahafatesan'olona miisa 23.000 tany Goatemala. Ankehitriny (2010), 34 taona taty aoriana, niray hina hanampiana ireo Haitiana tamin'ny voina noho ny horohorontany nahazo azy ireo ireo Goatemalteka, tamin'ny alàlan'ny karazana ezaka fanangonam-bola samihafa sy ny endrika firaisankina hafa.