Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Goatemalà tamin'ny Janoary, 2012

Goatemalà: Fampiasana Ankizy Any An-tsaha Fambolena Fary

Ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazetin'ny Plaza Publica tao Goatemalà no nahitana ny mpitondra ao amin'ny fitondrana, izay manana adidy araka ny lalàna hisoroka ny fampiasana zaza, mamela ny zaza latsaky ny 14 taona hiasa eny amin'ny saha fambolena fary, toerana ilana herintsandry sy mampidi-doza. Singam-pary navoakan'i Chris McBrien CCBy Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny...

Lahatsary Asongadina: Mpitolona, Fahafahana Maneho Hevitra, Olona ary Kolontsaina

Ity fanadihadiana ity dia mikendry ny hampahafantatra ny hafatra faramparany ato amin'ny Global Voices izay mampiseho fomba maro fa manampy ny olona hilaza ny tantarany manerana izao tontolo izao ny Lahatsary.  Afaka manaraka ny zava-miseho isaky ny faritra ianao ao amin'ny Fantsona YouTube-nay na manindry fotsiny ny rohy eo ambony. Afovoany...

Amerika Afovoany: Navoakan'ny Tetikasa LibreBus Ny Fanadihadiana Notontosainy

Nandritra ny volana Mey 2011, nitety ny araben'ny firenena dimy ao Amerika Afovoany mitady kolontsaina sy fahalalàna malalaka ifampizaran'ireo mpankafy izany ny LibreBus [es]. Mivoaka ary azo jerena an-tserasera ankehitriny ny lahatsarim-panadihadiana nampiseho ny atrikasa isan-karazany nandritra ny fitetezam-paritra.