Tantara mikasika ny Goatemalà tamin'ny Jona, 2018
Amerika Latina :Ny Olan'ny Fampiasàna Ankizy – Andiany I
Zava-misy marina mampalahelo ny fampiasana ankizy ao Amerika Latina ary, matetika, efa tena zatra mahita izany ny mponina ao amin'ny firenentsika hany ka tsy manao na inona na inona intsony. Iza no tsy efa nampiasa ireo mpamafa kiraro na ankizy hiambina ny fiarany ? Nisy ny fanentanana maro sy fepera hafa ho fanovàna ny toe-draharaha misy. Ho fankalazàna ny Andro manerantany 2009 Hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy ny 12 Jona, nivondrona ny mpikambana ao amin'ny rantsana latino-Amerikana ao amin'ny Global Voices hanoratra lahatsoratra sy hizara rohy maro mikasika ny zava-misy ao amin'ny fireneny misy azy avy ao amin'ity andiany voalohany ity
Goatemalà : Loharanonà Aingam-panahy Tamin'ilay Printsy Kely Ve i Antigoà ?
Ny tontolo tsara voatry ny firenena kely iray tahaka ny ao Goatemalà no isan'ny mampifoha ny famoronana. Ny fisian'ireo volkano 37 isa mivoaka avy ao ambanin'ny tany mandalo amin'ilay farihy malaza Atitlan, nahasarika mpanoratra maro io firenena io, babon'io toerana majika io. Mpitsidika toa an-dry Simone de Beauvoir, Louis Aragon, Pablo Neruda, Che Guevara ary na i Aldous Huxley koa aza [...] Mpanoratra hafa iray koa, Antoine de Saint-Exupéry , fantatra kokoa tamin'ny fanoratany ilay Le Petit Prince (Ilay Printsy Kely), mba nandalo tao Goatemalà tsy nahy, izay no mahatonga antsika hametraka izao fanontaniana manaraka izao: Ny tanànan'i Antigoà ao Goatemalà ve no loharanon'ny aingam-panahy tamin'ilay Astéroida B-612 ?
Goatemalà: Ahoana No Hanavotana Ny Tahirim-Pirenena ao La Danta?
Ny piramida iray amin'ireo goavana indrindra eto ambonin'ny tany, noho ny habeny, dia ny piramida ao Danta, ao Goatemalà no ahitàna azy, ao anatin'ny iray amin'ireo valanjavaboahary tsy fahita firy mitahiry ny tontolon'ny zavamananaina eto amin'ny planeta. Saingy mitera-doza ho an'io valanjavaboahary io ireo doro tanety sy ny tsy firaharahiana.
Goatemalà : Ireo Kômandô Avy Ao Goatemalà Nalefa Ho Toy Ny Satroka Manga Any Kôngô
Kaibiles no iantsoana ireo Kômandô mahabe adihevitra avy amin'ny tafika avy ao Goatemala manaraka fiofanana manokana ao amin'ny tobim-piofanana iray Avaratry ny firenena, antsoina hoe "ilay helo". Manakiana mafy ny fiofanana omena ireo Kaibiles ireo ny mponina ao Goatemala, fiofanana izay toa sahala amin'ny fampijalian-tena.