Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Goatemalà tamin'ny Mey, 2018

Amerika Latina: ny mpivaromandeha any anaty bisy

Hita any amin'ny tanàndehibe rehetra any Amerika Latina ity fisehoan-javatra manaraka ity. Ao an-tanàndehibe, miakatra anaty bisy ny olona iray, na tanora na antitra, na lehilahy na vehivavy, miditra vetivety ao anaty fiara, misaotra ny mpamily namela azy ary avy eo mandeha amin'ny lalantsara mba hampiseho ny entany amin'ny mpandeha......

Goatemalà: Nampodiana Ny Filoham-pirenena Teo Aloha Portillo Rehefa Avy Nandositra Tany Meksika 

Azo heverina ho resaka politika ve ny fampodiana an'i Alfonso Portillo, Filoham-pirenena taloha tao Goatemalà ?

Goatemalà: Oram-batravatra Sy Tondradrano Namely Ireo Tena Fadiranovana

Mampalahelo ny mamaky ny momba ny karazana loza voajanahary tahaka izao isantaona ary dia tratra foana ny faritra sasany. Mandritra izany fotoana izany, tsy misy fepetra, na kely aza, na politikam-panjakana napetraka mba hilazàna mialoha ny ho fahavoazana. Midangana be anefa ny sandany : famoizana ain'olona, trano, vokatra lasan'ny rano...

Lahatsary: Onjampeo An'ireo Vondrom-piarahamonina, Mameno Ny Banga Amin'ny Tsy fahampian'ny Vaovao

Na eo aza ny fanatontoloana sy ny firoboroboan'ny informatika, mbola maro ireo toerana tsy afaka misitraka izany eto ambonin'ny tany.

Goatemalà: malalaka ny aterineto, afaka mamahana bilaogy ny olon-drehetra

Tany ampiandohan'ny taompolo 90, voafehy ny gazety, ary ny manankatao ihany no afaka niditra tamin'ny fisian'ny aterineto vaovao. Raha vao nomena ny tsy miankina ny indostrian'ny fifandraisan-davitra dia maro ny olona no afaka niditra tamin'ny tranonkala manerana izao tontolo izao, ary afaka namahana bilaogy noho izany ny ankamaroan'ny olona.

Goatemalà : Tanora Iray Maty Nisy Namono, Nangina ny Lokanga

Araka ny ambaran'ilay mpanoratra sady poeta, Victor Hugo, “ny mozika no manambara izay tsy hay lazaina ary ireo zavatra izay tsy hay ny tsy hiloa-bava."