
Efa ho ny antsasaky ny mponina Alzeriana no miditra aterineto. Sary ampiasaina eo araka ny Creative Commons Attribution 2.0 Generic.
Maro amin'ireo Alzeriana mpitaona (influenceur) amin'ny media sosialy no tsikaritra ho voasaringotra ara-pitsarana tamin'ny fisolokiana raha nampiroborobo karazan-tolotra nataon'ny orinasa iray ho an'ireo mpianatra te hianatra any ivelany tamin'ny alàlan'ny fantsona samihafa. Hita fa namitaka olona maherin'ny 75 mba handoa vola be tsy misy tambiny ny orinasa, Future Gate.
Nilaza ny sampam-baovaon'i Alzeria fa ny orinasa, izay nampiasa anarana mihoatra ny iray mba hamitahana mpanjifa betsaka kokoa, dia nampanantena ireo mpianatra fa handoa ny sarany sy ny fandanian'izy ireo mandritra ny fianarany any amin'ny oniversite any Okraina, Torkia, ary Rosia, ho takalon'ny vola naloan'izy ireo mialoha, izay miovaova arakaraka ny anjerimanontolo izoran'izy ireo ny sandany. Rehefa tonga tany amin’ireo toerana ireo anefa ireo mpianatra, dia hitan’ireo mpianatra fa ny saram-pianarana ho an'ny fotoam-pianarana iray ihany no voaloa, ary tsy nisy trano nalamina ho azy ireo.
Tamin'ny 15 Janoary, nanome baiko ny hisamborana ireo olona telo voalohany voarohirohy tamin'ity raharaha ity ny mpitsara mpanao famotorana ao amin'ny Fitsarana Dar El Beïda, anisan'izany ny tompon'ilay orinasa sandoka izay voalaza fa namitaka ireo mpianatra, eo koa ireo mpikatroka media sosialy maromaro. Anisan'ireo voasambotra ilay mpilalao sarimihetsika sady mpitaona Farouk Boudjemline, alias Rifka, ilay mpilalao sarimihetsika sady mpitaona Numidia Lezoul, ary Mohamed Aberkan, fantatra amin'ny anarana hoe Stanley. Napetraka teo ambany fanaraha-mason'ny fitsarana kosa i Ines Abdelli enina ambin'ny folo taona.
Nilaza ny tatitry ny sampam-baovao, izay nanambara tamin'ny 15 Janoary ny fisamborana ireo voampanga tamin'ity raharaha ity hoe:
كما استعانوا، داخل الوطن، ببعض الوجوه المؤثرة عبر منصات التواصل الاجتماعي للترويج لهذه الخدعة
Niantehitra tamin'ny endrika manan-kery sasany ao amin'ny media sosialy avy ao amin'ny firenena ihany koa izy ireo mba hampiroboroboana ity soloky ity.
Tamin'ny 2 Febroary, nolavin'ny efitrano fiampangana tao amin'ny Filankevitry ny Fitsarana Alzeria ny fangatahana famotsorana ireo mpitaona amin'ny media sosialy maromaro izay nosamborina noho ny fiampangana ho nanao hosoka sy misoloky mpianatra. Nilaza ny ekipa mpiaro an'i Rifka fa niharan'ny fisolokiana niaraka tamin'ireo namany ihany koa izy, ary nihazakazaka namoaka ny marina momba ilay raharaha, sy naneho firaisankina tamin'ireo mpianatra voafitaka izy niaraka tamin'ireo mpitaona hafa.
Fitaomana amin'ny aterineto
Alzeriana maherin'ny 26 tapitrisa amin'ireo mponina efa ho 44 tapitrisa no mifandray amin'ny aterineto. Saika ny antsasaky ny mponina izany, izay maneho ny maha-zava-dehibe ny votoaty amin'ny aterineto sy ny fiantraikany amin'ny mponina Alzeriana.
Manoloana ny fisiana sy ny fiankinan-doha mahery vaika amin'ny aterineto, ary tahaka ny any amin'ny faritra rehetra manerana izao tontolo izao, Alzeriana maro no lasa malaza sy nahazo hery lehibe teo anivon'ireo tanora marobe satria nahazo mpanaraka an-tapitrisany ny kaontiny media sosialy.
Na izany aza, niteraka adihevitra be ny lazany toy izany. Voatsikeran’ny olona marobe izay mihevitra azy ireo ho mpanentana zava-tsy misy dikany sy ny fahazarana izay mandika ny fomban-drazana sy ny fitsipika Alzeriana ireo mpanentana tahaka izany, izay lasa mpanentana ireo marika sy fomba fiaina isan-karazany, ary mpitatitra fifosana.
Lasibatra sa mpiray tsikombakomba?
Ny fisolokiana misy ankehitriny dia ohatra iray hafa amin'ny fisaratsarahan-kevitra momba ny andraikitr'ireo mpitaona amin'ny media sosialy, sy ny maha tompon'andraikitra azy ireo amin'ny marika sy ny orinasa ampiroboroboan'izy ireo.
Ho setrin'ny fisamborana ireo mpitaona voalaza etsy ambony, maro ireo mpisera media sosialy nampiasa ny tenifototra #راحو_غلاط na (nalaina tamim-pahadisoana) mba haneho ny firaisankinany, mitaky ny hametrahana ny tamberin'andraikitra amin'ny orinasa mpisoloky, fa tsy ny mpitaona izay heverin'izy ireo fa niharan'ny laingan'ny orinasa.
Nilaza ny sioka iray tahaka izany hoe:
Sending all my support to this good guy @stanleyytalks
may god bless him 💕
Justice for Mohamed Aberkane #FreeStan #FreeStanley #راحو_غلاط pic.twitter.com/q3eEVKFDt9— 🍓 (@euphoriaberryy) February 4, 2022
Mandefa ny fanohanako rehetra ho an'ity olona mahafinaritra ity @stanleyytalks
Hitahy azy anie Andriamanitra 💕
Ny rariny ho an'i Mohamed Aberkane #FreeStan #FreeStanley
Nanoratra kosa ny mpisera Twitter iray hafa hoe:
هم أيضا ضحية لهذه الشركة الوهمية مثلهم مثل الطالبة اذا كنت اختلف معهم في الفكر و طرح وضد محتوى التافه ليس معنه ان اظلمهم و احسبهم في قضية أخرى بالانتماء لمنظمة إرهابية و متاجرة بالبشر هذا قمة الظلم ظلمات يوم القيامة بغض النظر على انا معهم او ضدهم الحق حق لماذا نهار؟#راحو_غلاط pic.twitter.com/lFH0TIAQEz
— 🇩🇿💌🇪🇭🇵🇸🇩🇿Hajar (@Hajar74401984) February 9, 2022
Lasibatry ny orinasa sandoka ihany koa izy ireo, tahaka ireo mpianatra. Na dia manohitra azy ireo amin'ny foto-kevitr'izy ireo na ny votoaty tsy misy dikany alefan'izy ireo aza aho, tsy midika izany fa manao ny tsy rariny amin'izy ireo aho ary [manohana] ny fisamborana azy ireo amin'ny raharaha hafa momba ny fikambanan'ny vondrona mpampihorohoro sy fanondranana olona an-tsokosoko. Tsy fisian'ny rariny mihitsy izany, na miaraka amin'izy ireo aho na manohitra azy ireo. Rehefa rariny dia rariny.
Mandritra izany fotoana izany, nahita ny hafa fa tompon'andraikitra ireo mpitaona ireo, ary milaza fa tsy maintsy miatrika ny vokatry ny zavatra nampiroboroboan'izy ireo tao amin'ny fantson'izy ireo, anisan'izany ny zavatra hitan'ny maro ho votoaty tsy misy dikany.
Mpisera Twitter iray nanoratra hoe:
ايداع ريفكا ، ستانلي ، نوميديا لزول سجن القليعة بتهم تبييض الأموال و المتجارة بالبشر
الاعدام و قليل عليهم— Leftist (@Che_che1028) January 20, 2022
Ny fitazonana an'i Rifka, Stanleyy ary Numidia Lezoul ao amin'ny fonjan'i Al-Qaleya noho ny fiampangana famatsiam-bola, fanondranana olona an-tsokosoko. Mety ho sazy malefaka loatra ny fanamelohana ho faty.
Araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana, nampiseho ny mpanorina ny orinasa mpisoloky milaza ny vola naloany tamin'ireo mpitaona amin'ny media sosialy, izay nambarany fa “nanao kendaroroka” azy ny lahatsarin'ny polisy .
https://www.youtube.com/watch?v=bSi8iQjfGpE