Nandritra ny “Fivorian'ny Tanora Iray Tapitrisa” notontosaina ny 27-29 Mey, no nanasongadinan'ny Praiminisitra Maleziana Najib Tun Razak fanapahan-kevitra enina vaovao, ka tafiditra anatin'izany ny fananganana ny Parlemantan'ny Tanora. Io Antenimiera voatondro io no toerana ijeren'ny fitondrana ny hevitry ny tanora mikasika ny politika, fitantanam-panjakana sy ny lohahevitra mikasika ny firenena hafa.
Nanao ahoana ny hevitry ny mpamaham-bolongana?
Point Blank Rambler nilaza fa mbola manan-javatra hafa tian-ko lazaina momba ny itondrana ny firenena ny tanora
Dan aku sangat berharap bahawasanya Parlimen Belia ini tidak bias – dikuasai oleh kerajaan sepenuhnya. Sebab, sebagai negara yang mengamalkan Demokrasi, setiap rakyat adalah berhak menentukan hala tuju sesebuah negara dan benda ni termasuklah golongan belia sendiri, betul tak?
Kalau dah tujuan asal pembentukan Parlimen Belia ni adalah untuk melatih generasi belia dalam menentukan halatuju negara, maka mereka perlu menghormati hak kita dalam membuat keputusan tanpa sekatan.
Raha mamela ny tanora indray mihira hanapa-kevitra ny momba ny hitantanana ny firenena no tanjon'ny Antenimieran'ny tanora, dia tokony hanaja izany zo izany tsy misy faneriterena ry zareo.
Nilaza ny The Flying Kick fa ny mpanohitra no hanana fifehezana kokoa ny antenimieran'ny tanora:
Bila Najib Abdul Razak memutuskan untuk mewujudkan Parlimen Belia bagi mendedahkan belia-belia negara ini kepada proses demokrasi yang sebenar, ramai yang menyambut baik. Dan sudah tentulah yang paling gembira dengan penubuhan Parlimen Belia itu adalah pemimpin Pakatan Rakyat.
Sedangkan UMNO pula sekadar boleh berbangga kerana telah mewujudkan Parlimen Belia. Pengisian dalam Parlimen Belia tidak akan ke mana-mana, seperti mana yang berlaku dalam agensi-agensi lain seperti KEDA, KESEDAR, KETENGAH dan sebagainya. UMNO hanya menubuhkan tetapi akhirnya yang menguasai adalah puak-puak Pakatan Rakyat.
Parlimen Belia juga bakal menerima nasib yang sama. Kebanyakan pemimpin UMNO hanya aktif apabila mereka hendak meminta jawatan tetapi untuk mengisi tanggungjawab jawatan yang diminta, biasanya mereka tidak ada masa. Masa mereka banyak dihabiskan untuk perkara-perkara lain termasuklah untuk golf!
Afaka mirehareha tamin'ny nananganana ny Antenimieran'ny tanora ihany ny UMNO (ny vondrona politika mitondra). Tsy handeha na ho aiza na ho aiza toy ny sampana isan-karazany tahaka ny KEDA, KESEDAR, KETENGAH, sns naorin'ny UMNO io fa ny avy amin'ny fanoherana no hifahy azy.
Ho tratran'izay efa nanjo ny hafa ihany koa ny Antenimieran'ny tanora. Mazoto ny mpitarika ny UMNO raha resaka fitazonana ny sezany no atao saingy tsy ho vitan-dry zareo ny adidiny. Handany fotoana amin'ny fanaovana zavatra hafa ry zareo, ka anatin'izany ny golf.
Mpanaraka ny motivationmy.com mizara ny eritreriny:
@Azziskandar hevitra tsara raha mbola tsy tafiditra politika loatra. Manantena fa hamoaka ny tena ilaina ny tanora fa tsy ny fandaharam-potoanany “manokana”
@shusshshussh: Hevitra tsara hifanakalozan-kevitra/ Hiadian-kevitra momba ny lalàna/hevitra hampihenana ny fisarahan-kevitra eo amin'ny taranaka roa mifampitohy ny Antenimieran'ny tanora. Fa tsy natao Hanaovan-dalàna.
Abdul Rahim (avy amin'ny Facebook): Hevitra tsara…mba ho tompon'nadraikitra kokoa ny parlemantera rahampitso, hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra, tsy hanao azy ho fanalan'andro ary handresy lahatra amin'ny zavamisy, fa tsy fihetseham-po….
Dhallan (avy amin'ny Facebook): Mino aho fa fanasongadinana dokambarotra fotsiny io. Amin'izao aloha dia efa voailika ilay volavolan-kevitra. Aza mieritreritra fa hisy io
@sherylhosulynn: Mieritreritra aho fa hevitra tsara io, saingy tokony avelany hiteny izay ao an'eritreritsika isika, fa tsy hoferany raha tiany ny hitsanganany!
@JFJuhari: Ny petra-kevitro voalohany dia ny fiangaviana hanala ny lalàna momba ny sivana. Misaotra tompoko
Ilhan Hikaru (amin'ny alalan'ny Facebook): Hahomby io raha mijery amin'ny alalan'ny lalàna silamo ry zareo
@zulfadly (from Brunei): Oaaoo. Nanao volavolan-kevitra momba izany ve ny fitondranareo? Mahagaga. Manantena fa hitranga izany. Ho fahombiazana tanteraka io raha tontosa. #YouthPower
Ary ankehitriny moa dia mbola tsy misy ny vaovao farany mikasika ity Antenimieran'ny Tanora ity.