Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago

Ny raharaham-panonerana ao Karaiba: Fizaràna fahatelo

Afa-manana anjaran toerana goavana kosa ireo tetikasam-panonerana ara-drariny amin'ny fiatrehana ireo fanamby tahaka ireto: aretina mitaiza, fiovaovan'ny toetrandro ary ny COVID-19

Tobago Avaratra-Atsinanana, notendren'ny UNESCO ho ‘Tahirin-javaboary sy ny Olombelona’

Noho ny fananan'ny tandavan-tendrombohitra Main Ridge fifangaroan-javaboary tokamiavaka ao aminy dia tamin'ny fomba ofisialy no nanendren'ny UNESCO ho Tahirin-javaboary sy ny Olombelona (MAB) io faritra Avaratr'i Tobag io

Andiana abidy karaibiàna mitokelaka amin'ny TikTok

Lasa fomba iray entina miatrika ny valanaretina COVID-19 ny hehy sy tokiky, saingy ao anatin'ny vanimpotoana iray mahabe ireo "mpanefy hevitra" aty anaty media sôsialy, mbola misy olona afaka mitaky ny maha-tokamaiavaka ny asany sy ny resaka fizakàmanana ara-tsaina ve?

Foana noho ny COVID-19 ny Fetibe fanaon'i Trinité-&-Tobago

"Manaraka tsotra izao ny zavamisy io ary lojika. Tsy niandry antsika ireo firenena hafa fa tonga dia nanafoana ny hetsika [tany aminy.]"

Toetran-dahy ao anatin'ny fototarazoko sy ny jeans-ko

Filalaovana ny maha-saropady ny ato hoe tovolahy na lehilahy ao anaty fiarahamonina ao Karaiba ny filazàna fa "ny ADN maha-lahy dia efa mikoriana ao anatintsika sahady, saingy mazàna no miandry fotoana fotsiny mba hihetsehana.."

(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika

Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ​​ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny...

Antso firaisankina amin'ny fankalazana ny fahaleovantenan'i Trinite & Tobago

Nampivadika tanteraka an'i Trinite sy Tobago ny fifidianana ankapobeny ary nampiharihary izay azo hazavaina ho endriny ratsy amin'ny ambany foitrany[...] fa hita maso amin'izay ny fifanenjanana mikotrika eo amin'ny samy foko, indrindra fa eo amin'ny Indo-Trinbagonianina sy ny Afrô-Trinbagonianina.[...]

Karaiba : Momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety

Ry mpanao gazety [...], rehefa fankalazana ny andron'ny 3 May, Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, manantena aho fa ho tsaroanareo ny fomba niainanareo am-pilaminana teto

Rehefa vokatra mitovy no navoakan'ireo famerenana nanisa, nanao fianianana ny governemanta tao Trinidad & Tobago

Rehefa naverina nisaina saingy tsy nanovana akory ny vokatra tany aloha, dia nanao fianianana handray ny biraony mandritra ny fepotoana manaraka indray ny governemanta efa teo

Mialoha fifidianana ao Trinidad & Tobago, antoko iray mampanantena hanangana “dome” hamerana ‘fidirana antsokosoko’

Tsy ampy herinandro sisa dia ho tonga ny fifidianana ankapobeny ao Trinidad sy Tobago, efa ao anatin'ny hafanany indrindra ny fiomanam-pifidianana. Fa tsy mbola nisy ny olona hanantena hahita resaka "dome" na tapabaolina ao anatin'ny fampanantenana.