Andro Erantany ho an'ny Soka-dranomasina: Fomba fijerin'i Karaiba

Sarina soka-dranomasina avy tao amin'ny Canva Pro.

Ny Andro Erantany ho an'ireo Soka-dranomasina, ankalazaina isantaona rehefa 16 Jona, dia manaitra ny saina ho amin'ny fiarovana sy fitehirizana ilay karazam-biby, amin'ny alalan'ny fanabeazana ny olona mikasika ny maha-zava-dehibe azy ireny ho an'ny rafi-piainana an-dranomasina.

Amin'ny maha-vato ifaharana ny karazan‘izy ireo dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fomba azo tsapain-tanana eo amin'ny tontolo iainany  ireo sokatra, manomboka amin'ny fanarahamaso ny isan'ny rembiny ka hatramin'ny fahazoana antoka ny fahasalaman'ny toeram-panirian'ny ahitra an-dranomasina sy ny haran-dranomasina. Ny filàna maika ny fiarovana azy ireo dia nandray anjara ihany koa tamin'ny fanamafisana ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka eo an-toerana, izay mivondrona ho tarika mpanara-maso sy mpiaro an'ireo sokatra ny sasantsasany. Raha nalàna amin'ny fonenany na maty ny karazana iray vato ifaharana, dia mikorontana ny fifandanjan'io rohivoary manontolo io, ka hisy fiantraikany ratsy amin'ny fiainana miankina amin'ny ranomasina.

Isantaona i Karaiba dia mandray karazana soka-dranomasina mandritra ny vanim-potoana fanatodizan'ny sokatra, na dia hita mandavantaona any amin'ny ranon'i Karaiba daholo aza ny sasantsasany. Ny dimy amin'ireo fahita mahazatra any amin'ny morontsirak'i Trinidad sy Tobago, dia ny “leatherbacks, hawksbills, loggerheads, olive ridleys” ary ny “green turtles” – no marefo na tandindonin-dozan'ny fahalaniana tamingana. Na izany aza, dia mbola mitohy mampidi-doza ny fihazàna, toy izany koa ny fitomboan'ny faharefoan'ireo toeram-ponenana an-dranomasina.

Adisanina henjana mampiasa loha an'ireo mpiaro ny tontolo iainana ao Karaiba izany, izay niloa-bava niampanga ny haavon'ny fahalotoana ara-plastika mianjady ao amin'ny faritra, ary koa ny mety hisian'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any an-dranomasina lalina.

Teo amin'ny Facebook, Michelle Cazabon-Mannette, biolojista mikasika ny tontolo iainana, izay mpanolo-tsaina ara-teknika ao amin'ny Save Our Sea Turtles Tobago no sady Talen'ny SpeSeas, no nanamarika fa :

Ireo karazany “hawksbill” dia lasibatra noho ny akorany hanamboarana firavaka, sy ny sisa. Taloha, naondrana tany Japana ny karaokan-tsokatra avy ao [Trinidad sy Tobago] ho anisan'ny varotra ! Ankehitriny, voararan'ny CITES io karazam-barotra io ary tsy hitantsika eo an-toerana intsony ireo vokatra ireo.

Ny CITES, fanafohezan-teny avy amin'ny hoe Convention on International Trade in Endangered Species ho an'ireo karazan-javamanory sy bibidia, dia fifanarahana iray iraisampirenena mikendry ny hahazoana antoka hoe tsy manohintohina velively ny fahaveloman'ilay karazana ny famarotana karazam-biby sy zava-maniry dia.

Avy amin'ireo pejiny ao amin'ny media sôsialy, ny fikambanana SpeSeas ihany koa dia nanoratra mikasika ny loza mitatao mafonja manalokaloka an'ireo soka-dranomasina :

[Ny] fisaringotany hita amin'ireo fitaovam-panjonoana ihany koa no tena loza mitatao ho an'ireo soka-dranomasina. Olana maneran-tany izany ary mamely eto ihany koa sy any T&T, izay olana manan-danja any ny fakàna an'ireo leatherback sendra azon'ny harato.

Tamin'ny fandefasany sarina sokatra leatherback iray maty voafandrika tao anaty harato navoivoin'ny rano nanaraka ny morontsiraka Avaratr'i Trinidad, nandritra ny vanim-potoana fanatodizana 2023, dia nanampy izy fa :

Betsaka ny asa mbola mila atao mba handrefesana ny taham-pahafatesana avy amin'ny fiantraikan'io eto sy any amin'ny faritra. Mety ho mpandray anjara lehibe amin'ny fitotongana hita maso eo amin'ny isan'ireo ao Atlantika Avaratra-Andrefana ve izany ? Ilaina ihany koa ireo fikarohana mismisy kokoa mba hitadiavana fomba hanalefahana io fiantraikany io – hita anatin'ny fampifanarahana ireo fitaovam-panjonoana mahabe fanantenana ny fampiasana jiro amin'ireo harato. Ilaintsika ny miaraka miasa amin'ireo mpanjono mba hamahana io olana io.

Herinandro vitsivitsy tany aloha, tamin'ny 23 May,   fotoanan'ny Andro Erantany ho an'ny Sokatra, dia nandefa sarina soka-dranomasina tsara tarehy nilomano ny Tradition Sailing Anguilla :

Ny karazana soka-dranomasina anananay any Anguilla dia ny ankamaroany sokatra leatherback (marefo), ny sokatra hawksbill (ahiana ho lany tamingana) sy ireo sokatra maitso (andalam-panjavonana).

Ny fomba fanampiana amin'ny fiarovana sy fitehirizana an'ireo soka-dranomasina dia ny fampihenana ny fako an-dranomasina, izany hoe tsy manary fako – fitandroana mba hadio lalandava ny moron-dranomasina ary sainina izay rehetra mety hotsofin'ny rivotra ho any an-dranomasim-be. Ny fampihenana ny fampiasana plastika dia efa fomba goavana hanampiana, tsy ho an'ireo soka-dranomasina ihany fa ho an'ny tontolo iainana koa. Mamono mivantana ny soka-dranomasina ireo fitrohana sy harona vita tamin'ny plastika, sahala amin'ny “fakàna mivantana” ataon'ny olombelona amin'ireo soka-dranomasina sy ny atodiny ihany. Amporisiho ireo orinasa sy ireo trano fonenana, indrindra fa ireo miorina eny amoron-dranomasina mba hamono ny jiro eny amoron-dranomasina amin'ny alina ary hanafoana ny fampiasana ny fitrohana/zinga plastika sy tsy hampiasa ny sisin-dranomasina hanariana ny poti-tsigara. Mikasika ny fanatodizan'ireo soka-dranomasina indray, azonareo atao ihany koa ny manentsina ny lavaka hitanareo eny amoron-dranomasina.

Manelingelina ny fomba filomano voajanaharin'ireo sokatra ny jiro artifisialy, manakana ireo sokatra vavy tsy hanao ny akaniny sy mahavery làlana ireo zanany vao teraka rehefa te-hivoaka any an-dranomasina izy ireo. Ireo poti-tsigara izay namboarina avy amin'ireo potika plastika, dia mety hiandrona ao anaty avokavoky ny sokatra ary miteraka tsy fahalevonan-kanina ho azy, ka mahatonga azy ireo ho fatin'ny hanoanana. Ny famelàna lavaka eny amin'ny tora-pasika – na izany amin'ny fanamboarana tranokely amin'ny fasika, na fametrahana elo na ireo hetsika mitovitovy amin'izany – dia mety hamandrika ireo sokatra (indrindra ireo zanany vao teraka) sy ireo bibidia hafa.

Vao haingana, nahavita nanofana an'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny tetikasa Barbados Sea Turtle mba hanampy amin'ny fisafoana ny tora-pasika sy ny fanarahamaso ny sokatra mandritra ny vanim-potoanan'ny fanatodizana :

Andro aman'alaina, ho eny amin'ny tora-pasik'i Barbados foana ireo ekipanay mba hanangona ireo angondrakitra sy hiantoka ny fiarovana ny renim-bibintsika sy ireo vao foy tena tandindonin-dozan'ny faharinganana.

Efa manomboka tsara mihitsy ny vanim-potoana – betsaka fihetsiketsehana sokatra maro ary efa an-dalana ho any Speightstown ny sokatra iray. Isaorana i Joshua nahita sy nitondra azy niverina ka naverina teny amoron-tsiraka izy mialohan'ny tsy hitrangan'ny loza. Nisy koa sokatra vavy iray hanatody sahiran-tsaina noho ny jiro tao aorian'ny fanatodizana. Soa ihany fa nantsoina izahay ary teo niantoka fa ho tafaverina soa aman-tsara any an-dranomasina izy.

Miatrika sedra maro tsy mitsaha-mitombo ireo sokatsika ireo isantaona ka mila ny fanampiana sy fanohan'ny rehetra amin'io vanim-potoana io.

Mampahery ny tantara tahaka ireny, saingy miatrika fanamby avy amin'ny fiovana toetrandro koa ny sokatra, isan'izany ny ranomasina mihamafàna sy ny fisondrotry ny haavon'ny ranomasina. Nilomano teny amin'ireo ranomasim-be eran'izao tontolo izao ireo mpisitrika an-dranomasina tranainy ireo nandritra ny efa zato tapitrisa taona mahery, na izany anefa, Trinidadiana natioralista iray, Ian Lambie, no nanararaotra ny fotoana mety mba hampahatsiahy amin'ny olona ny maha-zava-mahagaga an'ireo zavaboahary ireo. Nozarainy ny tantaran'i Ruby sy Isabel, soka-dranomasina roa izay nitondra fitaovam-pifandraisana tany Nova Scotia (Nouvelle-Ecosse), Kanadà, tamin'ny Jolay 2019 ary hita teo amin'ny morontsiraka avaratr'i Trinidad, 10 volana taty aoriana :

Hita teny amin'ny tora-pasika teny amin'ny Helodranon'i Las Cuevas Bay [i Ruby] tamin'ny May 2020, rehefa avy nandeha 12 892 kilometatra, [ary] i Isabel [izay] nomarihana tany Halifax tamin'ny Jolay 2019, [dia] hita teny amin'ny tora-pasiky ny Helodranon'i Grand Rivière [tamin]'ny May 2020, rehefa avy namakivaky 12 252 kilometatra.

Na mamakivaky elanelana lavitra izy ireo, na miantsona ety an-tanety sy mandavaka akany hanatodizana, na mikisaka miverina any an-dranomasina mba hamerina indray ny diany, dia zavaboahary mahavariana ny sokatra – tsara tarehy, ilaina ho an'ny tontolo iainana an-dranomasina ary tsy isalasalana fa mendrika ny hovonjena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.