Ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetrandro amin'ny tantsaha ao Tobago

Fambolena voatabiha; saripika via Canva Pro.

 Nosoratan'ny mpikambana iray ao amin'ny vondron-tanora mpanao gazety voalohany ao Cari-Bois ity tantara ity, nandinihana ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny fiarahamonina misy azy ireo. Navoaka voalohany tao amin'ny Tambajotram-baovaon-tontolo iainana Cari-Bois izy ity, ary aseho eto ambany ny voatran-dranty araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Nosoratan'i Adonai Crosby

Ny fambolena no asa ara-toekarena lehibe indrindra ho an'ny mponina ao amin'ny vohitr'i Les Coteaux, Tobago, ary asa nentin-drazana iray efa nampateza ny fivelomany — saingy tao anatin'ny 15 taona farany, nahatsikaritra izy ireo fa misy fiantraikany amin'ny fahafahan'izy ireo miompy sy mamboly ny fiakaran'ny hafanana kokoa.

Manohintohina ny lafiny maro amin'ny fambolena ny fiakaran'ny maripana miampy fiovan'ny toetr'andro , anisan'izany ny fotoana itomboan'ny voa sasany, ny habetsahan'ny rano ampiasain'ny mpamboly hanondrahana, ny vokatra ary eny fa na dia ny fihanaky ny aretina amin'ny voly aza.

Tamin'ny tatitry ny fanombanan'ny taona 2021 roa momba ny faharefoana ara-toetrandro, nampitandrina ny Minisiteran'ny drafi-pampandrosoana ao Trinidad sy Tobago fa “loza miharihary sy hita amin'ny fahaveloman'ny toekaren'ny firenena sy ny fiarovana ny mponina ao aminy ny fiovan'ny toetr'andro.”

Raha nirehareha tamin'ny fizakan-tenany ny tantsaha ao Les Coteaux, nahatonga ny mponina sasany nitodika tany amin'ny fanafarana hamenoana ny banga ny fihenan'ny vokatra vao haingana rehefa tsy ampy ny famatsiana. Na izany aza, noho ny tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fiakaran’ny vidin-tsakafo dia tsy zaka izany.

Mampahatsiahy i Hamilton Crosby, tantsahan'i Les Couteaux, fa nahavokatra voatabiha hatramin'ny 907 kilao isan-taona izy taloha, saingy tato anatin'ny taona vitsivitsy, dia nihena ho 680 kilao izany lanja izany. Nilaza izy fa noho ny fihamafisan'ny toe-pitomboam-bokatra, anaty toetr'andro maina be amin'ny fotoam-pitomboana sasany na fivangongoan-tany be loatra, rehefa misy rotsak'orana mahery vaika, no mampihena ny vokatra. Sady mihena ny habetsahany, no miharatsy koa ny kalitaon'ny vokatra ka vitsy kokoa ny vokatra lafo.

Niezaka ny tantsaha mba ho sady mety amin'ny mpividy no mety ho an'ny mpivarotra ny vidim-bokatra. Saingy, mampiakatra ny vidim-bokatra ny ezaka haharaka fiovaovan-toe-javamisy, toy ny filàna fanondrahana.

Araka ny angon-drakitra navoakan’ny National Oceanic and Atmospheric Administration (NOAA), dia niakatra 0,08 degre Celsius (tokony ho 2 degre Fahrenheit) isaky ny folo taona eo ho eo ny hafanan’ny tany hatramin'ny taona 1880.

Mazava ho azy fa tsy voafetra ho an'i Tobago ihany ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro eo amin'ny fambolena. Mety hanimba ny saham-pambolena sy ny voly ny tondra-drano, izay mety hanelingelina ny famokarana sakafo any amin’ny faritra mora tondraka. Mety hiharan'ny fatiantoka ara-bola govana ny fianakaviana miantehitra amin'ny fambolena mba hivelomany. Nandritra ny tondra-drano tao Trinidad tamin'ny taona 2018, ohatra, dia maherin'ny telo tapitrisa dolara ny fitaovan'i Richard Singh very, sy vokatra amin'ny saha manana velarana 200 hektara. Mety hisy fiantraikany amin'ny tantsaha amorontsiraka ao amin'ny firenena ihany koa ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina, ary mahita ny tenany ho mora voan'ny tondra-drano.

Tsy misy safidy hafa ankoatra ny mikaroka fomba hanalefahana ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary handray andraikitra amin'izany. Fomba tena mandaitra ny fambolen-kazo hanesorana gazy karbônika (etona mpangeja hafanana), mpampakatra maripana maneran-tany amin'ny alàlan'ny vokatry ny fangejana hafanana. Ny hazo moringa, ohatra, dia afaka manala gazy karbonika hatramin'ny 176 lbs (80 kg) isan-taona. Manampy betsaka amin'ny fampihenana ny etona karbônina ny fametrahana angovo azo havaozina toy ny avy amin'ny rivotra sy ny masoandro.

Mety hahomby tokoa amin'ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny hetsika tahaka ireny, raha ampiarahina, sy amin'ny fahaveloman'ny tantsaha any amin'ny faritra toa an'i Les Coteaux. Rehefa vita ara-potoana, tsy vitan'ny hoe manampy ny tantsaha ao Trinidad sy Tobago ihany ny hetsika tsara fa ny (planeta) tany ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.