Mizaka ny vokadratsin'ny firafitra vaovaon'ny toetrandro trôpikaly i Trinité-sy-Tobago

Pikantsarin'ilay andro ratsy Invest 91-L namely an'i Trinité-sy-Tobago tamin'ny 5 Oktôbra izay nitarazoka hatramin'ny 7 Oktôbra tao amin'ilay firenena, tsonga avy ao amin'ny lahatsary YouTube « Caribbean Storm Developing » an'i M. Weatherman.

Ny 5 Oktôbra lasa teo, marobe ireo faritra tao Trinité-sy-Tobago no voa mafy taorian'ny fandalovan'ny onja trôpikaly iray. Io trangana toetrandro io, nomena anarana hoe Invest 91-L, dia niteraka tondradrano tampoka nandravarava – indrindra fa tany amin'ireo faritra any amin'ny atsinanana, tao afovoany ary tany atsimon'i Trinité, sy tao amin'ny nosy kambana Tobago – niteraka ihany koa faharavam-pananana, fahatapahana hazo, fihotsahan'ny tany ary ahiana ho namoizana ain'olona.

Teresa Lynch, ramatoa 44 taona, no  lasan'ny rano raha iny izy niezaka hiampita ny ampahany tamin'ny renirano Surrey iny, tao Lopinot, faritra iray any avaratr'i Trinité. Niezaka hanavotra azy ny anadahiny, William Ramlogan, saingy nandritra izany dia natolaky ny rano teny amin'ny vato ka naratra. Hatramin'ny nisehoan'ilay tranga, nanohy ny fikarohana an'i Lynch ireo ekipa mpamonjy voina, saingy tsy nahita vokany.

Tao atsimo-atsinanan'i Lopinot, vohitr'i Arima, dia lasan'ireo tondradrano ihany koa i Derrick Pollard, 55 taona, raha izy teo ampiezahana hanavotra ampahany tamin'ny fananam-pianakaviany nandalo teo amin'ny tanànany, noho ny fiakaran'ny rano. Soa ihany, nahavita nisarangotra tamina hazo iray izy ary avotra fotoana fohy taorian'izay.

Tany amin'ny manodidina an'i Arouca, nifaoka fiara 2 ho any an-tatatra ireo oram-batravatra sy tondradrano.  Dobon-drano ihany koa ireo tranobe ana orinasa sasantsasany sy ireo sekoly manamorona ny lalantsara andrefana-atsinanan'i Trinité, isan'ireny ny campus St. Augustine an'ny Oniversite Indies Andrefana. Marobe ireo fiara no tsy afaka nihetsika, ary marobe ireo làlana no lasa tsy azo nampiasaina.

Nibitsika ilay manao gazety, Wesley Gibbings:

Mba hahafahana miatrika ireo ranobe miakatra, izay mipongatra avy ery ampototry ny tandavan-tendrombohitra avaratry ny nosy dia nosokafana ho ampiasain'ny daholobe ny làlana iray mamakivaky an'i #Trinité avy any atsinanana miankandrefana, izay raha ny mahazatra dia natokana ho an'ireo fiara fitaterana iombonana, ny mpanao asam-bahoaka sy ny mpitandro filaminana,

pic.twitter.com/pLF7jjLzNQ

— Wesley Gibbings (@wgibbings) 5 Oktôbra 2022

Namoaka fanambaràna an-gazety ny sampandraharaha misahana ny rano sy ny Fanadiovana (WASA) ao Trinité nilazàny fa tena voa mafy tokoa tamin'ireo oram-batravatra ny ampahany tamin'ireo ozininy.

Kalain Hosein, mpilaza toetrandro, nibitsika hoe :

Ity no isan'ny tafiotra nahery vaika indrindra niainako teto Trinité, na farafaharatsiny ho an'ny taona 2022.

Tsy mampino ny tanjany ary mitondra miaraka aminy ireo karazan-doza maro. Ireo mipetraka ao afovoan'i Trinité no hizaka orambe manaraka, tafiotran-drivotra, ary tselatra sy kotroka misesisesy. Mialofa ianareo! https://t.co/LXrGEZMEi2

— Kalain Hosein (@KalainH) 5 Oktôbra 2022

Ny Biraon'ny Fiomanana sy Fitantanana ny Loza Voajanahary  (ODPM) ao Trinité-sy-Tobago dia nilaza fa naharay filazàna fisiana tondradrano tsy latsaky ny 25 tany amin'ireo toeram-ponenana :

Androany maraina, eto Trinité pic.twitter.com/kC1cGPk7ra

— Jay Brown (@jayjaybrown97) 5 Oktôbra 2022

Ny ministeran'ny fampiroboroboana ny eny ambanivohitra sy ireo olomboafidy eny an-toerana dia nanampy fa ireo ekipa mpisahana ny loza voajanahary, ny pôlisy monisipaly ary ireo rantsam-panjakana hafa dia “efa eny an-kianja, mifanotrona amin'ireo vondrom-piarahamonina trà-pahavoazana, mba hahafahana manombana ireo tranga naharaisana tatitra sy mandefa fanampiana» ; saingy misy olona sasany miaritra ny fahatapahan'ny herinaratra sy ny fihotsahan'ny tany toy ny vokatry ny toetrandro:

Vokatr'ireo orambe nentin'ny Invest #91L dia nisy fiakarana be tsikaritra tamin'ny haavon'ny renirano tamin'ity Alarobia ity tao amin'ny reniranon'i Grande Riviere, avaratra atsinanan'i  Trinité. Naharaisana tatitra ihany koa ny fahatapahana herinaratra manaraka ny Paria Main Road.https://t.co/LZ7P1EVzvK pic.twitter.com/Wbxh7MTbLS

— TTWeatherCenter (@TTWeatherCenter) 5 Oktôbra 2022

Azo sainina ny hoe ilay toetrandro ratsy dia mety hampitandrina amin'ny mety hisian'ny rivodoza any amin'ny faritra andrefan'i Karaiba raha mitohy tsara ny fivoarany. Ny 5 Oktôbra, tamin'ny 8 ora alina tao an-toerana (UTC-4), ny pejy Facebook an'ny foibe mpamantatra teotrandro ao Trinité-sy-Tobago dia nandefa ity, « misy andiany vaovao amina orana mahery vaika sy oram-batravatra mikisaka mankany andrefan'i T&T manaraka ny zotran'ny Invest #91L. »

Nandritra izany fotoana izany, ny sampana mpamantatra toetrandro ao Trinité-sy-Tobago – ny masoivoho amin'ny resaka fampitambaovao sy torohevitra momba ny resaka toetrandro – dia nampahafantatra fa napetraka ho ambanin'ny filazàna miloko mavo ny firenena, tamin'ny fanitsikitrihana fa mety haharitra hatramin'ny sasakalin'ny 7 Oktôbra ilay izy.

Mitodika mankany andrefan'i T&T ankehitriny ny zotran'ilay onja trôpikaly, na izany aza dia somary mbola mandomando sy tsy marintoerana ny rivotra iainana. Mbola misy vanimpotoanan'ny orana sy/na oram-batravatra voavinavina ihany anefa. Fanampin'izay, hatramin'ny 70 % (ambony be) ny ambana mety hisian'ny oram-batravatra sy orana mitsitaitaika mety hiteraka rotsak'orana maherin'ny 25mm. Mety hahatsapa tafiotran-drivotra maherin'ny 55 km/h, indrindra fa eny akaikin'ireo misy oram-batravatra. Mety hisy ihany koa ny fahatondrahan'ireo arabe / tondradrano tampoka sy fisiana rano mihandrona any amin'ny faritra sasany raha misy ny orambe. Any amin'ireo faritra atahorana, araka izany, dia mety hisy ny fihotsahan'ny tany.

Hoy ny birao mpamantatra toetrandro nanampy, « Noho ireo andian'orana androany, mitohy miakatra ny haavon'ireo renirano lehibe eto Trinité ary efa mahatratra ny 80% amin'izay ambony indrindra zakany ».

Efa miha-marintoerana ankehitriny ny toetrandro, saingy mety mbola hisy andian'orana mitsitapitapy. Ireny rotsakorana fanampiny ireny, miampy ireo rano miandrona rehefa lohataona, dia mety hitazona ny haavon'ny renirano ho avo, hahatonga azy ireny ho ambana eo ho eo ihany ho an'ny filaminan'ny mponina, ny fivelomana ary ny fanànana. Ny oram-batravatra fanampiny dia mety hahatondraka ireo renirano kely eto Trinité-sy-Tobago, izay efa hita ihany koa ny fiomboan'ny haavon'ny rano ao aminy.

Mitohy miakatra ny haavon'ny ankamaroan'ireo renirano eto Trinité, indrindra fa ny renirano Caroni qet sy ny North Oropouche Rivers izay efa mihoatra ny 70% amin'izay zakany.

Tato anatin'ny ora iray sy sasany dia ny renirano Arouca irery ihany no nahitàna fidinan'ny haavon'ny rano ao aminy, fihenana 10 %

Ato ny vaovao farany mivantana : https://t.co/LZ7P1EVzvK pic.twitter.com/5Nk6c037TV

— TTWeatherCenter (@TTWeatherCenter) 5 Oktôbra 2022

Raha nisy ampahany tamin'ireo mpampiasa tambajotra sôsialy no nanaiky ny zavamisy ho toy ny kapok'Andriamanitra ka  mamporisika ny olona hivavaka ho fiarovana ny ainy, ny hafa kosa nisafidy ny fomba fijery mifantoka amin'izay azo tsapain-tànana :

Mila jerentsika amin'ny ankapobeny ny olan'ny fanarian-drano eto Trinité

😭😭 https://t.co/Nxk7OVmleQ

— krys✨ (@KristaJulian2) 5 Oktôbra 2022

Ny sasany amin'ireo faritra ao amin'ny firenena dia tena mora ianjadian'ny tondradrano tokoa, toejavatra izay efa hatry ny taona maro nifandimby no nambara fa mifamatotra amina singa isankarazany; miainga amin'ireo fako, ary tonga hatrany amin'ireo fomba fanao sy manjary ho fampandrosoana. Na inona na inona singa avy eo an-toerana ka mandray anjara amin'io, ny  olan'ny toetrandro dia tsy azo lavina fa mametraka ireo firenena nosy kely (PEID) toa an'i Trinité-sy-Tobago ho lohalaharana amin'ny fiantraikan'ny fihafanàn'ny tany.  Raha tsy misy zavatra goavana tontosa mandritra ny COP-27 atao ny novambra, dia vao mainka hihamafy be ny tafiotra tahaka io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.