Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago tamin'ny Oktobra, 2019
Mety hipoaka ao Trinite ny volokanom-potaka: efa niomana ve ny mponina?
Ao Trinite afovoany, vao haingana ny fotaka volkano Piparo no nampiseho famantarana hetsika mitombo, ampy hampisy fivakisana eny amin'ny arabe akaiky. Nisy trano iray manokana niharan'ny fahasimbana ara-drafitra ary nitatitra ireo mponina ao Piparo fa nandre feo mafy sy setroka maimbo solfara amin'ny rivotra.
Ho an'ny filoham-pirenena, nivalana ny fiventesana ny hiram-pirenen'I Trinidad & Tobago
Mety ho tsy nitovy tamin'ny tena izy ny fitendrena ny hiram-pirenena, fa sy nifanaraka tamin'ny tokony ho izy angaha ilay izy, sa araka ny nolazain'ny filoham-pirenena, tsy nisy fanajàna?
Niteraka resabe ny fijoroan'ny filohan'i Trinite sy Tobago amin'ny resaka sipa
Tsy mbola manambady ara-dalàna? Aza manantena ny sipanao hahazo fanasana amin'ny hetsika ao amin'ny Lapan'ny Filoham-pirenena - raha tsy hoe angaha hiova amin'ny fanapahan-keviny ny Filoha Weekes momba ny "vanim-potoana Victoriana"
Nilaza ireo vahoaka voalohany ao Trinite fa tsy tokony ovaina ny anarana indizeny amin'ilay seranam-piaramanidina
Nampisara-kevitra ny vahoaka ny fanambaràna nataon'ny praiminisitr'i Trinite amin'izay mety hanovana ny anaran'ny seranampiaramanidina iraisampirenena Piarco ho Eric Williams.
Ahariharin'ny fanairana fahafotsian'ny vatoharan'i Tobago fa tsy misy ny ‘lalan-kafa’ iadiana amin'ny krizin'ny toetrandro
Koa satria miteraka korontana amin'ny vatohara manodidina an'i Tobago sy ireo nosy hafa ao amin'ny ranomasina karaibeana ny fitomboan-kafanan'ny ranomasimbe, niresaka tamin'ny biôlôzista iray izay manahy ny amin'ny hoavin'ny vatohara izahay.
Iray tamin'ireo farany matin'ny tangoliky ny fandripahana olona tany Trinidad sy Tobago ilay mpamokatra tantara an-dampihazo nalaza be
Mitosaka eny amin'ireo tambajotra sosialy ny fanomezam-boninahitra taorian'ny fahafatesan'ity olo-malazan'ny tantara an-dampihazo tao an-toerana ity.
Naverina tamin'ny toerany indray ilay mpivaro-boanjo Trinidadiana tiam-bahoaka any amin'ny fijerena lalao cricket
Nahaliana ny mpankafy lalao cricket ny resaka momba ireo mpivaro-boanjony sy ny fifanarahana fanohanana ara-bola nanomezana ny orinasa mpivarotra tsakitsaky manokana ny zony tao amin'ny fifaninanana lalao cricket tany amin'ny faritra.
Mandinika indray ny Lalàna mifehy ny Fikomiana ny fitondrana Trinite & Tobago
Ny ilaina dia fanavaozana maika ny lalàna mba handraisana ny fikasana hikomy amin'ny alàlan'ny fampidirana fepetra manokana fa ny hetsika sy ny fanambarana voaràra dia tsy maintsy ireo izay mandrisika an-katerena ny fihetsika mahery setra amin'ny fanjakana, ny governemanta na ny lalàmpanorenana.