Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago tamin'ny Marsa, 2021
Nandritra ny Andro Erantany ho an'ny Vehivavy, nisafidy hiatrika ny herisetra atao noho ny maha-lahy na maha-vavy ireo teratany ao Trinidad & Tobago (#ChooseToChallenge)
Taorian'ireo vono olona roa ireo, nanandra-peo ry zareo Trinbagoniana ny amin'ny tokony hisian'ny dingana mazava atao hiarovana ny vehivavy.
Mahatonga an'i Karaiba hirehareha ny Google Doodle-n'ny Sir Arthur Lewis, ekonomista sy efa nahazo ny loka Nobel
Nomena ny lokam-pahatsiarovana Nobel amin'ny toekarena ity mpahay toekarena teraka St Lucian, izay fantatra amin'ny "maodely Lewis" amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ity, tamin'ny taona 1979.
Mety mbola ho loza mitatao ho an'ny tontolo iainana ve ilay sambo venezoeliàna mpitondra solika ao amin'ny Ranomasimbe Pasifika?
Efa ho volana dimy taorian'ilay fitsirihana voalohany tamin'ny Oktôbra 2020, tsy mbola nisy ihany fanarahamaso nataon'ireo manampahefana ao Trinidad & Tobago, na teo aza ny torohevitra izay izy ireo ihany no namoaka azy hoe tokony hatao ao anatin'ny iray volana.
“Fotoana niadanan'ireo fanon-dranomasina” hoy ny ministera ao Trinidad & Tobago na teo aza ny fitomboan'ny fihazàna azy
Ao anatiny indrindra izao ny vanimpotoana fanatodizan'ny fanon-dranomasina 'luth', saingy mivonona hitolona ireo vondrona mpiaro ny fano manoloana ireo fepetra momba ny COVID-19, izay manakana amin'izao fotoana izao ny asa fisafoana isanalina ataon-dry zareo eny amin'ny torapasika mba hiarovana ireo sokatra.