Ny filaharam-ben'ny Corpus Christi ao Port of Spain, Trinidad, an-tsary

Andian-tskoto an-dranomasina isan-karazany miditra ny tokotany manoloana ny Cathedral-n'ny Immaculée Conception ao Port of Spain hankalaza ny Corpus Christi 2023. Ny sary rehetra amin'ity ranty ity dia avy amin'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alalana.

Marihana ara-tarazo ao Trinidad sy Tobago (sy ny toerana maro hafa manerana izao tontolo izao) amin'ny Lamesa arahana filaharana ny fetin'ny Corpus Christi, ankalazana ny tena fisian'ny tenan'i Jesoa Kristy ao amin'ny Eokaristia. Na izany aza anefa dia iray amin'ireo firenena 18 mbola mitazona ny andro ho fetim-pirenena — isan-taona amin'ny Alakamisy faharoa aorian'i Whitsun — i Trinidad sy Tobago.

Raha samy manohy ny filaharana fanao ny paroasy katolika romana tsirairay manerana ny firenena, ny filaharana lehibe indrindra dia tontosaina ao amin'ny Katedralin'i Immaculée Conception, izay miorina eo amin'ny farany atsinanan'ny Kianjan'ny Fahaleovantena ao afovoan-tanàna. Ity no taona voalohany hatramin'ny nanombohan'ny valan'aretina COVID-19 nahazoana alalana ny fankalazana ifanatrehan'olona, ary betsaka ny isan'ny mpandray anjara izay nahitana mpiangona, mpianatra amin'ny fanabeazana fototra sy ny ambaratonga faharoa ary, araka ny tarazo, fiambenana amboninahitra ataon'ny andian-tSkoto an-dRanomasina, Fanilo Zazavavy ary ny lovitao (lahy sy vavy).

Notontosaina teo anoloan’ny katedraly ny Lamesa Masina, nasandratry ny Arseveka Jason Gordon. Taorian'ny fanompoam-pivavahana dia napetraka tao amin'ny ôstanitsoara ny Sakramenta Masina ary nentina namakivaky ny araben'i Port of Spain raha nihira sy nandihy ary nanonona ny sapile ny mpino.

Tamin'ny fiverenana tao amin'ny katedraly, nomena zana-kazo ireo mpandray anjara, satria andro fambolen-kazo ara-tarazo ao Trinidad sy Tobago ihany koa ny Corpus Christi. Tsy vitan'ny hoe mifanandrify amin’ny fiantombohan’ny vanim-potoanan’ny orana ao amin’ny firenena ihany koa io andro io, ka voalaza fa hiroborobo izay rehetra voavoly amin’io andro io.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy ankavia: Ny manoloana ny Katedralin'i Immaculée Conception ao Port of Spain; mpikambana ao amin'ny skoto an-dranomasin'i Trinidad fivondronana faha-11, mifandray amin'i Kolejy Fatima, mitandahatra amin'ny andaniny sy ankilan'ny fidirana ao amin'ny katedraly.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy any ankavia ambony: ny filaharana litorjika miditra ny manoloana ny Katedralin'i Immaculée Conception ao Port of Spain; Skoto miatrana anilan'ny sainan'i Vatican City; Ny arseveka Jason Gordon sy ny Sakramenta Nohasinina ambanin'ny lain'ny filaharana an-dalambe hiainga; Mpikambana ao amin'ny Skoto an-dranomasin'i Trinidad andiany voalohany, fivondronana zokiny indrindra ao amin'ny firenena, mifandray amin'ny Kolejin'i Immaculée Conception.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy any ankavia ambony: an-dalana manavatsava ny Brian Lara Promenade ny filaharana mizotra mankao amin'ny lalana Henry ivon'ny tanàna; katekista sy mpiservy ôtely mitondra ny lakroa fitondra filaharana; zazavavy mpitondra voninkazo avy amin'ny sekoly ambaratonga faharoa katolika romana mandraraka vonin-draozy am-pandehanana; Ny Sakramenta Nohasinina fitondra mandehandeha; mpiservy ôtely hafa.

Vehivavy manao voaly mihira am-pandehanana ao am-pilaharana.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy any ambony ankavia: Polisy miatrana mijery ny filaharana; vavahadin'ny Chinatown; ny ivelan'ny Fiangonana Katolika iray hafa, Sapile Masina; Lalana Picadilly, izay manara-morona ny Renirano Maina ao Port of Spain ny sisiny; Ny foiben'ny All Stars Steel Orchestra, nopihana ampitan-drenirano.

Polisy miandry ny fahatongavan'ny filaharana eo anoloan'ny trano narenina mahafinafitra amin'ny zoron'ny Lalana Picadilly.

Ny filaharana manavatsava ny Lalana Piccadilly, any amin'ny ilany atsinanan'ny tanàna.

Saretim-piantsenana nilaozana eo amin'ny rindrin'ny iray amin'ireo fialofan'ny vondrom-piarahamonina manaraka ny Lalana Nelson Street ao Port of Spain.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy any ambony: ohatra amin'ny fivarotana an-tanandehibe tsy ahitana tsiranoka ary monina amin'ny rihana amboniny ny tompony; fanorenana iray hafa tahaka izany, nopihana avy aty ambany; Ny foiben'ny Desperadoes Steel Orchestra vaovao, iray amin'ireo zokiny sy hajaina indrindra amin'ireo mpitsoka mozika ao amin'ny firenena; Ny ao ambadiky ny Katedralin'i Immaculée Conception ahitana ny tsangambaton'i Md. Josefa.

Manaraka ny fihodin'ny famataranandro avy aty ankavanana: Ny ao anatin'ny katedraly aorian'ny filaharana; pika ant-tsary mahafinaritra ivelan'ny katedraly.

Kaopin-janakazo zaraina aorian'ny Lamesa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.