Tantara mikasika ny Trinite sy Tobago tamin'ny Aogositra, 2010
Karaiba: Ho an'ny fahafahana
Omaly, 1 Aogositra, no nanamarika ny faha 172 taonan'ny Androm-panafahana tany amin'ireo tany Karibeana (Caribbean) maro miteny Anglisy, rehefa afaka tamin'ireo voanjo Britanika nanandevo azy ireo andevo Afrikana maro. Androany dia andro tsy fiasàna ho an'ireo firenena maro any amin'iny faritra iny ary mpitoraka blaogy vitsivitsy no manararaotra io fotoana io ho fisaintsainana manodidina izay fomba andikàn'ireo nosy an-dalam-pandrosoana ireo an'io fotoana io.