Lahatsoratra farany an'i Naomy
Raràn'i Belarus tsy hivezivezy any ivelany ny olom-pirenena, nakaton'ny Vondrona Eoropeana ho an'ny Sidina Belarosiana ny sehatra an'habakabaka
Voaràra vonjimaika tsy handeha any ivelany ny ankamaroan'ny Belarosiana, anisan'izany ireo manana fahazoan-dalana hipetraka maharitra any ivelany, raha noraràn'ny sehatra an'habakabaka Vondrona Eoropeana kosa ny safidy hivezivezy miala sy hiditra ao Belarosy.
Asehon'ny zavakanto an-dalambe ny hiakiaka avy amin'ny vahoaka kolombiana leo herisetra, kolikoly ary fahantrana
Voalokon'ny hafatra fahatezerana, fanantenana ary alahelo ireo manoloana ny tranobe, fivarotana ary andrim-panjakana maro
WATCH: Inona no lazain'ny Eurovision antsika momba an'i Eoropa
Tsy nahita ny mivantana anjotra ny webinar Global Voices Insights tamin'ny 20 mey 2021 momba ny fifaninanan-kira Eurovision? Indro ny famerenana momba azy.
Vehivavy mpitarika miresaka fanentanana amin'ny zo nomerika ao Thailandy
'...tokony hianatra hampiasa ny teknolojia ho fitaovana hampiteraka fifandraisana tsara amin'ny vahoaka ao an-toerana ny governemanta fa tsy mampiasa ny teknolojia hamoretana vahoaka'
Mifanakaiky dia akaiky ny isam-bato amin'ny fifidianana solombavambahoaka, Ho azon'ny Antokon'ny Kongresy tafala amin'ny BJP ve ny fanjakana Assam?
Nanjaka tamin'ny antenimiera mpanao lalàna ao Assam ny Kongresy Nasionaly Indianina (INC) nanomboka ny taona 1951 ka hatramin'ny 2016 rehefa nivadika ho an'ny Antoko Bharatiya Janata (BJP) an'ny praiminisitra Narendra Modi ny fifehezana.
Nipoaka indray i La Soufrière ao St. Vincent tamin'ny tsingerintaona faha-42 fipoahana lehibe farany
mihabetsaka ny ahiahy amin'ny fahasalaman'ny mponina tsy manaiky handao ny fonenany ao amin'ny "Red Zone" [Faritra Mena] sy ny fiainan'ny vorona sy biby mpirenireny hafa
Notafihan'ny Fadintseranana Hongkong ny vondrom-barotra pro-demaokrasia iray, teraka ny fanehoam-pitiavana
Nandefa mpiasam-panjakana manodidina ny 100 ny Fadintseranana Hong Kong hanafika sy handraoka entambarotra mitentina iray tapitrisa dolara HK avy amin'ny vondrom-barotra atsinjarany, AbouThai, noho ny tsi-fisian'ny marika teny shinoa amin'ny karazan'entana miisa 14.
Mampisy fifandirana ny tononkira ka tsy afa-mifaninana amin'ny Eurovision 2021 i Belarus
Hitan'ny European Broadcasting Union fa "manitsakitsaka ny fitsipiky ny fifaninanana tsy manaiky ho fitaovana politika na mampisy fifandirana" i Belarus
Mahatonga an'i Karaiba hirehareha ny Google Doodle-n'ny Sir Arthur Lewis, ekonomista sy efa nahazo ny loka Nobel
Nomena ny lokam-pahatsiarovana Nobel amin'ny toekarena ity mpahay toekarena teraka St Lucian, izay fantatra amin'ny "maodely Lewis" amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ity, tamin'ny taona 1979.
« Life and Limb » : Mpiasan'ny ala lohalaharana amin'ny ady amin'ny fikorontanan'ny toetrandro ao Vanuatu
"Miresaka momba ny alan'i Vanuato ny lahatsarim-panadihadiana, saingy avoitrany ny lanjan'ny ala amin'ny fiainan-janakolombelona eto amin'izao tontolo izao."