Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Janoary, 2015
Tari-dalana Hoan'ireo Sambany Mahafantatra Ny Fetibe Sinulog ao Cebu
Ahitanao ny tantara fohifohy nahatonga ny Sinulog sy ny nahatonga azy ho amin'ny endrika ankehitriny.
Tsy Hoan'ny Rehetra Ao Frantsa Ny Tantaran'ny ‘Charlie Hebdo’ Navoakan'ny Media Frantsay
Nisy mpampianatra nanosi-bohon-tanana ny fandrakofan'ny gazety frantsay be mpanaraka ny fihetsiky ny vitsy an'isa tamin'ny fanafihana nisiana rà mandriaka tamin'ny fanafihana ny Charlie Hebdo.
Mianatra Mandihy Amin'ny Skype Mampifandray an'i Baghdad sy i New York City
Miaina any amin'ny kaontinanta samihafa ilay mpampianatra mandihy Sean Scantlebury sy ny mpianany Aadel Qies, saingy tsy nanakana azy tsy hanao fianarana mandihy izany ary mamahana ny fitiavan'i Qies' handihy.
‘Raha Tsy Misy Hehy, Maty Daholo Isika Rehetra': Mpanao Sariitatra Manome Voninahitra Ireo Namany Lavo Taorian'ny Fanafihana ny Charlie Hebdo
Indreto ny sasantsasany amin'ny sariitatra sy sary izay niely fatratra an-tserasera ho fahatsiarovana ireo novonoina.
Avotsotry Ny Filoha Venezoelana Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Raha Afahan'i Etazonia i Oscar López Rivera
Any Am-ponjan'i Etazonia 33 taona izao ilay Poerto Rikana Oscar López Rivera. Antsoina ho gadra politika voatazona ela indrindra ao amin'ny Ilabolantany Andrefana izy.
Tsikerain'ny Indiana Mpiserasera Ny Sivana Mihatra Amin'ny Vontoaty “”Jihadista”
Nampiaka-peo manohitra ny sivana ataon'ny governemanta amin'ny Github, Internet Archive, Vimeo, Sourceforge sy ny habaka malaza hafa ny Indiana mpiserasera.
Vondrona Maro ao Singapaoro Tsy Manaiky Intsony ny Famonoana ho Faty Olona Mitondra Rongony 15 grama
Hoan'ny governemanta dia natao hanakiviana ny fanaovana heloka bevava ny fanasaziana ho faty. Asongadin'ny vondrona fa tsy mampihena ny isan'ny fanitsakitsahana ny lalàna ny sazy faratampony indrindra fa mandrisika ireo jiolahy hahery setra kokoa.
Fanombohan'ny Tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’
Notontosaina tamin'ny fiatombohan'ny desambra 2014 ny hetsika voalohany amin'ny Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane' ka nampidirana ny herin'ny media sosialy hameloma-maso indray ny fiteny vazimba teratany Boliviana.