Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Desambra, 2019
Alzeria : Niondrika teo anatrehan'i Etazonia i Alzeria, niverina ny saina
Nahatonga saina ny Alzeriana ihany ny fanantenana sy ny fahadisoam-panantenana fa tsy mahavita hahazoana fandresena amin'ny lalao football raha ny fitiavan-tanindrazana irery ihany. Nanjavona tokoa manko ny fanantenan'ny Alzeriana tamin'ny Alarobia nandritra ny lalao nifanandrinana tamin'ny ekipa Amerikana tao Pretoria. Resin'ny ekipa Amerikana tamin'ny isa 1 sy 0 i Alzeria.
Te-hanangana Lohalambom-Pandresena mirentirenty ao amin'ny kianjan'i Belgrade iray ny nasionalista serba
Ny tolokevitra no mahatonga ny fampitahana amin'ireo maritrano diso toerana fanaon'ireo fitondrana tsirefesimandidy ao Balkana.
Voaheloka ireo atidoha tao ambadiky ny vono olona tany Ampatuan saingy mbola mitohy ny ady amin'ny tsimatimanota ao Filipina
Nanome hery anay, nanamafy ny fahabetsahanay ny folo taona farany. Taorian'ny famonoana, dia mbola nitohy ny famonoana mpanoratra gazety. Dimy ambin'ny folo tamin'ireo mpiara-miasa aminay no voatifitra teo ambanin'ity fitantanam-panjakana ity.
Miavo-tena mba hiangana ny gazety iray ao Myanmar amin'ny fiteny Mon rehefa nitolona 20 taona
Mitolona hatrany mba hanoka-baravarana ny gazety Guiding Star, loharanom-baovao iray lehibe ho an'ny vondrompoko Mon, rehefa lasa nirona any amin'ny nomerika ny vaovao ary mihena isa ny mpiteny Mon.
Manoritra ny tantara lava katolika tao Nagasaki ny fitsidihan'ny Papa Fransoà
Nanasongadina ny vakoka ara-tantaran'ny kristiana ao amin'ny firenena ny fitsidihana voalohany nataon'ny Papa tao Japana tao anatin'ny efa ho efapolo taona izay, namantarana ireo fanamby lehibe atrehin'ny hafa eto amin'izao tontolo izao.