Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Oktobra, 2019
Mozambikana mpanora-gazety sy mpikatroka lasibatry ny fandrahonana amin'ny taom-pifidianana
Nandrakitra tranga maro izay ahazoan'ny mpanora-gazety sy mpikatroka fandrahonana sy fitsabahana amin'ny asany mifandraika amin'ny fifidianana ireo fikambanana mpandala ny zon'olombelona.
Namoaka rakibolana antserasera amin'ny fiteny indizeny 21 ny fanjakana indiana ao Odisha
Ahitana fiteny mihoatra ny 780 eto India ary manakaiky ny 220-250 eo ny fiteny maty tao anatin'ny 50 taona farany.
Thailandey mpitsara nitifi-tena tao amin'ny efi-pitsarana taorian'ny filazany fa misy fitsabahana ara-politika amin'ny famoahana didim-pitsarana
"Avereno amin'ny mpitsara ny didim-pitsarana. Avereno amin'ny vahoaka ny rariny. Mety ho maivana tahaka ny volomborona ny fanambaràna ataoko, saingy tokony ho mivaingana tahaka ny tendrombohitra ny fon'ny mpitsara."
Ahariharin'ny fanairana fahafotsian'ny vatoharan'i Tobago fa tsy misy ny ‘lalan-kafa’ iadiana amin'ny krizin'ny toetrandro
Koa satria miteraka korontana amin'ny vatohara manodidina an'i Tobago sy ireo nosy hafa ao amin'ny ranomasina karaibeana ny fitomboan-kafanan'ny ranomasimbe, niresaka tamin'ny biôlôzista iray izay manahy ny amin'ny hoavin'ny vatohara izahay.
Fantaro i Moffat Kihoro, hampiantrano ny kaonty Twitter-n'ny @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 9-15 Oktobra
Fantaro bebe kokoa ny momba an'i Moffat Kihoro, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang manomboka ny 9 ka hatramin'ny 15 oktobra 2019. Hozarainy amintsika ny fijeriny ny fiteny Yiakunte.
Famorian-tanora ao Shina hampitsarahana ny fahaverezam-pimaroamboary sy mampiroborobo ny firindrana miaraka amin'ny natiora
Nampiray toerana tanora miisa 176 avy amin'ny firenena miisa 82, ny tsenan-kevitra notanterahana tao Changbaishan ao Shina, tamin'ny 15-18 Septambra.
Video: Roa volana fikatonana ao Kashmir
60 andro izay no niato ny fiara fitateram-bahoaka, voabahana ny servisy finday, mikatona ny sekoly sy ny kolejy ao Kashmir. Mitatitra avy ao Shopian i Basharat Amin, mpifandray amin'ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers.
Taolana tapaka, ratra anaty: Mampiasa paikady ‘sahisahy, tsy manavaka’ ny polisin'i Hong Kong mandritra ny fihetsiketsehana, hoy ny Amnesty
"..mampiasa herisetra ny polisy mialoha sy mandritra ny fisamborana, eny fa na dia efa tsy afa-mihetsika sy voatazona aza ilay olona. Hita tokoa fa tafahoatra ny fampiasan-kery, manitsakitsaka ny lalànan'ny zon'olombelona iraisampirenena..."