Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Aogositra, 2017
Nivaha ny Gidragidra Diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia, Tsy Hisy ny Ady
Koa satria efa nigedraka ny fifanenjanana ara-diplaomatika teo amin'i Serbia sy i Makedonia, dia mbola nanamafy ny tanjona iraisany hiaina milamina tsy misy rahon'ady ny olompirenena.
Sekolin'ny Fanaovan-gazety Serba An'Aterineto: Fitaovam-Pampianarana An-Tserasera Vaovao Taona 2009

Eo am-pampidirana fitaovana vaovao an-tserasera amin'ny fandaharam-pianarana ny Sekolin'ny Fanaovan-gazety Serba An'Aterineto eo am-panombohan'ny taona 2009. Mandroso tsara ny kilasy ary efa nianatra ny miasa miaraka amin'ny fampiasana sary an-tserasera sy ny fahana rss ankoatra ny zavatra hafa ny mpianatra.
Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-Ponja

Nodimandry tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 marsa i Omid Reza Mir Sayafi, mpanao gazety sady bilaogera iraniana 29 taona. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny desambra, noho ny filazana fa nanivaiva mpitondra fivavahana sy fanaovana propagandy hamelezana ny Repoblika Islamikan'i Iran.
Mikarakara Andro Iraisampirenena Ho Firaisankina Amin'ireo Bilaogera Enjehina

Tolokevitra hametrahana andro iraisampirenena ho an'ny bilaogera enjehina
“Matroudine”, Tranonkalan'ny Mpianatra Toniziana Mitokona Tsy Hanendry Hanina Voasivana

Nobahanan'ny manampahefana toniziana ny fidirana amin'ny Matroudine, tranonkala natokana hanolotra vaovao sy fanohanana ireo mpianatra sady mpikatroka dimy avy ao amin'ny Sendikà UGET nitokona tsy hihinan-kanina ho fanoherana ny fanilihana azy ireo tsy hahazo hiditra amin'ny oniversite toniziana noho ny fikatrohana ataon-dry zareo eo anivon'ny UGET.