Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Marsa, 2014
Vehivavy Enina Notazonina Ho Andevo Tao Libanona Atsimo
Navoakan'ilay tranonkala avy any Cote d'Ivoire antsoina hoe Koaci.com ny fisian'ny vehivavy enina notazonina ho toy ny andevo tao an-tanànan'i Nabatieh ao atsimon'i Libanona. Niantso hijerena ny zava-manjò ireo vehivavy ireo ny blaogera Libaney Joey Ayoub
Flipboard Manovana Ny Global Voices Eo Amin'ny Votoaty Itarihan-Dalana
Manomboka amin'ity volana ity, ny Global Voices (amin'ny teny samihafa) dia ampirisihana hovakian'ireo mpisera an-tapitrisa mampiasa fampiharana iray antsoina hoe Flipboard amin'ny fafana nomerika (tablety) na finday avo lenta (smartfônina)
WoeLab Ao Togo: “Demaokrasian'ny Teknolojia”

Niresaka tamin'i Amadou Ndong momba ireo tetikasa sasantsasany rafetina ao amin'ny Oniversiten'i Lomé, toy ny OpenStreetMap sy ny mpanonta printy 3D avy amin'ny e-faikan-javatra ny Rising Voices.
Tsipahin'i Shina Ny Fampitahana Amin'ny Ady Lehibe Voalohany Ny Fifanenjanany Amin'i Japan
“2014 anie ka sady tsy 1914 no tsy 1894, Tsara ho [an'i Japan] ny mijery an'i Alemaina taorian'ny ady ho maodely fa tsy mahabe raharaha tahaka an'i Alemaina talohan'ny Ady Lehibe Voalohany."
Iran: Voafafa Eo Amin'ny Sarin'ny Vaovao Ny Renin'ny Bilaogera Maty
Nahatonga fahatezerana mirehitra tany Iran ny filohan'ny Raharaham-bahinin'ny Vondrona Eoropeana rehefa nihaona tamin'ny mpikatroky ny zon'olombelona sy ny renin'ny bilaogera iray maty tao amin'ny Masoivohon'i Autriche tao Tehran.
Fakana Sary Avy amin'ny “Drone” Mampiseho Ny Hakanton'ny Talaky Maso Kambojiana
Nampiasa "drone" na voromby kely baikoan-davitra hanapihana sary ny hakanton'ny talaky maso ambonivohitra sy ambanivohitra Kambojiana tsy manam-paharoa ny mpanatontosa horonan-tsarimihetsika Roberto Serrini
Vehivavy Ejipsiana: “Ampangino Ny Totozinao Ry Obama!”
Jereo ny lahatsarin'ny vehivavy ejipsiana iray mangataka amin'ny Filohan'i Etazonia Barak Obama hoe "shut up your mouse [mouth]" na "Akombony ny totozinao [vavanao]" izay nivezivezy tamin'ny aterineto.
Kiobà: Miakatra Daholo Afa-tsy Ny Karaman'ny Mpiasam-panjakana
Manodidina ny 15 dolara isam-bolana ny salan-karaman'ny mpiasam-panjakana ao Kiobà.
Sata Nosoratan'ny Praiminisitra Rosiana Medvedev Momba an'i Okraina Tao Amin'ny Facebook

Nifidy sehatra tsy nampoizina ny Praiministra Dmitri Medvedev, izay nangina manoloana ny toe-draharaha ao Okraina sy ny fiandrianam-pireneny raha tapa-kevitra ny hanao fanambarana amin'izay.
“Dia Tsy Ho Adinointsika”: Lehilahy Rosiana Nigadona Tao Tajikistan Tamim-pahadisoana
Tsy nanamarina ny tapakilany ilay tovolahy alohan'ny fiaingana ka nigadona tao Kurgan-Tyube, Tajikistan raha tokony ho any Kurgan, Rosia.