Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Marsa, 2015
Nogadraina Ao Amin'ny Fonjan'i Evin ao Iran i Mostafa Aziz, Iraniana Mpanatontosa Fandaharana Televiziona
Nosamborina tamin'ny volana lasa teo i Mostafa Azizi, Iraniana mpanatontosa fandaharahana fahitalavitra rehefa nandao an'i Canada ary niverina nody tao Iran.
Mitombo Ny Isan'ireo Olo-tsotra Mamoy Ny Ainy Noho Ny Daroka An'habakabaka Tarihin'i Arabia Saodita Ao Yemen
Mitombo ny isan'ireo olo-tsotra mamoy ny ainy noho ny ady ankehitriny tarihin'i Arabia Saodita sy ireo mpiara-dia aminy hiadiana amin'ireo Houthis ao Yemen.
Mampiantrano Ny Fifanakalozan-kevitra Ara-tsosialy Manerantany i Tonizia
Herinandro latsaka taorian'ny fanafihana nahafaty olona tao amin'ny Mozean'i Bardi tao Tunis renivohitra Tunis, izay nahafatesana mpizahatany 20 sy polisy manampahefana iray, Mampiantrano ny andiany faha-10 ao amin'ny World Social Forum (WSF) i Tonizia.
Nanaiky Hiditra Finday Ihany Ny Nintendo Rehefa Nanosi-Bohontanana Nandritra Ny Taona Maro
Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanambara fiarahamiasa amin'ny mpikirakira lalao amin'ny finday DeNa ny Nintendo. Araka ny fifanekena, hampiasa ireo karazan-dalao sy kisarin'olona malaza amin'ny Nintendo ny DeNA hamoronana lalao vaovao tanteraka.
Voaheloka Ho Faty Ao Kafkastan
Tsy misy intsony ny fitondrana tsi-refesi-mandidy sy ny fanjakam-birao. Tsy misy olona tsy manan-tsiny miakatra fitsarana intsony Fahadisoan'ny zavamisy irery ihany raha misy trangan-javatra marina mitovy amin'ity lahatsoratra ity
Famakafakana Ny Tantara Mitohy Samy Mitondra ny Lohateny hoe “Tanindrazana” eo amin'ny Filma Amerikana sy ny Filma Rosiana
Nijery ny fizarana voalohany i Vadim Elistratov avy ao amin'ny TJ ary manazava ny antony maha-sarotra ialàna ny tsy fahombiazan'ny fanamboarana ny tantara hifanaraka amin'ny zavamisy rosiana, saingy hita fa matahotra ho mivaona be loatra amin'ny ôriginaly ireo mpamorona ny tantara, ary nisy fiantraikany tamin'ny tantara mitohy Rosiana izany.
Afaka Manaisotra Ny Marika Borat-n'i Kazakhstan Ve i Sabina Altynbekova?
Nampiasa ny lazany ho toy ny marik'i Kazakhstan ilay tanora mpilalao volley-ball Sabina Altynbekova. Hatraiza no hahavitany izany?
Te-Hanolo Ireo Mpanoratra Gazety Ao Amin'ny Parlemanta Ireo Mpanao Lalàna Ogandey
Mieritreritra volavolan-dalàna hanolo ireo mpanoratra gazety rehetra nitatitra ny raharaha parlemantera talohan'ny 1 Mey 2010 ireo mpanao lalàna Ogandey "mba ho tombotsoan'ny fifandanjan'ny fitateram-baovao" .
Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?
Tsy tonga lafatra ny horonantsary fanadihadiana momba ny tranga fanolanana tao Delhi tamin'ny taona 2012, saingy nanome tsiny ny governemanta ao India ny tsikera sasany noho ny fandraràna ilay horonantsary sy ny fangatahany tamin'ny Youtube mba hanakatona izany.
Mai Ro: Hihira Ny Hiran'i Yadiko
Voatahiry ao anaty raki-kira noraketin'i Fernando Urbina Rangel, mpikaroka sady mpampianatra ny feon'ny rain'i Ever Kuiru. Amin'ity tetikasa nahazo vatsy amin'ny Rising Voices ity, mizara ny sasany amin'ireo hira narakitra antserasera izy.