Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Jolay, 2017
Inona no Marihan'ny Valim-Pifidianana Amin'ny Fandraisana Anjaran'ny Vehivavy Amin'ny Politika Ao Iran?
Ny voka-pifidianana iraniana, na dia eo ho eo ihany aza aza, dia manome mari-panantenana ho an'i Iran izay misy lanjany ny feon'ny vehivavy na eo amin'ny sehatra ifotony na eo amin'ny sehatra nasionaly.
“Dancing Kelin” Kyrgyz Manohitra ny Fanambadiana Aloha (Loatra)
“Tsy mitsahatra asa ny fiainana any ambanivohitra. Mahavita raharaha iray ny 'vinantovavy' dia manomboka raharaha iray hafa indray. Miasa 24/7 ry zareo.”
Masoarabo: Mitohy ny Ady an'Aterineto ao Ejipta
Taorian'ny fanelingelenana, famotopotorana ary fitazonana ny bilaogera, dia mbola mitohy ny ady an'aterineto ao Ejipta, ary tany amin'ny tena mandratra mihitsy izany tamin'ity indray mitoraka ity - ny poketra! Tahaka izao no namalian'ny bilaogera ejipsiana ny fampakaram-bidin'ny aterineto izay hatomboka amin'ny volana septambra
Shily: Fifanarahana Mampiadihevitra Nifanaovana Tamin'ny Microsoft
Nahatalanjona ny Shiliana maro ny fifanarahana nifanaovan'ny Minisiteran'ny Toekarena Shiliana sy ny Microsoft sonia. Ny Microsoft irery ihany izany no hanana fahafahana miditra hanome servisy amin'ny alalan'ny governemanta shiliana, ary hametraka ny olon-tsotra (rehetra) ao aminy ho mpisera ny Microsft hoazy.
Sodana Miady Amin'ny VIH/SIDA Aorian'ny Vanim-Potoana Islamista
Na dia eo aza ny fanamby maro isorohana ny fielezan'ny VIH ao amin'ny fiarahamonina mifikitra lalina amin'ny fomban-tany, dia mahita fisokafana bebe kokoa hatrany amin'io zavatra fady resahana io ny bilaogera toniziana iray miasa amin'ny programa iadiana amin'ny SIDA.
Shina: Fihetseham-po Manoloana ny Tifitra Variraraka Nahafaty Olona Maro tao Virginia Tech
Raha nizara ny horohorony sy ny alahelony taorian'ny tifitra variraraka nahafaty olona maro tao Virginia Tech ny ankamaroan'ny Shinoa, bilaogera iray kosa nanontany ny tsy niraharahiana loatra ny voina roa mitovitovy amin'izany tamin'ity herinandro ity tao Shina.
Serbia: Fijery Maro Kokoa Momba ny Nahavoafidy Indray an'i Boris Tadic
Nandalo fanadinana anisan'ny sarotra indrindra ny demaokrasia tao Serbia, valo taona taorian'ny fiafaran'ny fitondran'i Slobodan Milosevic: dia voafidy tamin'ny ampaham-bato 50,5 isanjato indray ny filoha ankehitriny Boris Tadic tamin'ny 3 febroary teo manoloana an'i Tomislav Nikolic izay nahazo 47,9 isanjato.