Mahatonga an'i Karaiba hirehareha ny Google Doodle-n'ny Sir Arthur Lewis, ekonomista sy efa nahazo ny loka Nobel

Pikantsarin'ny Google Doodle an'ilay ekonomista teraka tao St Lucian, ny Sir W. Arthur Lewis, tamin'ny 10 desambra 2020.

Faly am-pitalanjonana ny mpisera karaibeana Rehefa niditra tao amin'ny mpitety [browser] ny marainan'ny 10 desambra: ny sarintavan'ny Sir Arthur Lewis, izay nandrafitra ny “O” faharoa amin'ny Google Doodle tamin'io andro io ny lohany.

Androany ny tsingerintaona nanomezana lokam-pahatsiarovana Nobel ny Sir. W. Arthur Lewis noho ny asany namolavola ireo hery ara-toekarena miantraika amin'ireo firenena andalam-pandrosoana

Nomena ny lokam-pahatsiarovana Nobel amin'ny toekarena ity mpahay toekarena teraka St Lucian, izay fantatra amin'ny “maodely Lewis” amin'ny fampandrosoana ara-toekarena ity, tamin'ny taona 1979. Izy no mainty hoditra voalohany sy tokana hatramin'izao nahazo izao loka ifampitadiavana fatratra izao eo amin'ny sehatry ny siansa ara-toekarena.

Izy ihany koa no mpianatra mainty hoditra voalohany tafiditra—tamin'ny alalan'ny vatsim-pianarana, tsy latsa-danja—ho ao amin'ny London School of Economics (LSE), izay nananany hirika ho ampianarin'ireo mpisaina ara-toekarena lasa aloha indrindra tamin'izany vanim-potoana izany. Rehefa nahazo ny diplaoma i Lewis dia niasa fotoana vitsy tao amin'ny LSE, nialoha ny nampidirana azy ho anisan'ny mpampianatra oniversite tao amin'ny Victoria University of Manchester tamin'ny taona 1947.

Ao amin'ny lahatsary ho fahatsiarovana manazava ny antony nifidianana an'i Lewis ho lohahevitra amin'ny doodle, dia nanondro azy ny Google ho “profesora sady ekônônista Afrikanina-Amerikanina” izay “iray amin'ireo mpisava lalana amin'ny fampandrosoana ara-toekarena maoderina.”

Camilla Ru no nandravaka ny doodle, izay lazaina eto ihany koa fa artista monina ao Manchester, izay nandrafetan'i Lewis ny sasany amin'ireo tsirinkeviny goavana indrindra momba ny toekarena ho an'ny firenena andalampandrosoana fony izy tao amin'ny Oniversiten'i Manchester. Manana ny lanjany goavana dia goavana tokoa ho an'i Karaiba ireo tsirinkevitra ireo, noho ny tosika nataony hankany amin'ny fahaleovantenany manoloana ny Fanjakana Britanika tamin'ny faramparan'ny taompolo 1950.

Tamin'ny taona 1959 Lewis nifindra ho any Etazonia handray ny toeran'ny profesora tao amin'ny Oniversiten'i Princeton, izay niasany mandra-paharetirety azy tamin'ny taona 1983—saingy mbola nitoetra ho lehilahy karaibeana izy na teo aza izany rehetra izany.

Resy lahatra tanteraka tamin'ny hevitry ny praiminisitr'i Trinidad sy Tobago voalohany sady iray amin'ireo nandrafitra ny fahaleovantena karaibeana, ny Dr. Eric Williams, nitoetra ho mpinamana tsy nifankafoy ry zalahy ireo nandritra ny fiainany. Nampiasa ny fahalalàny ho amin'ny tombontsoan'ny faritra ihany koa i Lewis, raha niasa ho mpanolotsaina ara-toekarena ho an'ireo governemanta karaibeana maro, ka ao anatin'izany i Barbados, Jamaika, ary Trinidad sy Tobago. Tamin'ny taona 1959 izy notendrena ho Vice-Chancellor ny The University of the West Indies (The UWI na Oniversiten'i Les Antilles), ary tamin'ny taona 1970 izy no lasa filoha voalohany ny Caribbean Development Bank [Banky Fampandrosoan'i Karaiba].

Tao amin'ny lahatsoratra Facebook, nofehezin'i Amílcar Sanatan mpampianatra oniversite ny halehiben'i Lewis sy ny asany:

W. Arthur Lewis was a genius. Unfortunately, in Sixth Form and undergraduate Sociology we are taught more about the shortcomings of his theory and the failures of ‘industrialisation by invitation.’ What a way to minimise his thoughts, life and contributions to development economics. Thankfully, at The UWI, there has been a historical commitment to preserve his memory in conferences and architecture on campuses.

Lewis was an outstanding child of St. Lucia whose contributions to the Caribbean, Third World and global community are unparalleled. He was to Economics what Bob Marley was to music. His anti-imperialism and decolonial thought emphasised political responsibility of little countries with bold political imaginations.
We are the governors of our reality and we are responsible for our futures. His ascension to high-level institutions cloaks the image of a young Arthur Lewis writing pamphlets and notes about social unrest in the West Indies and making the case for self-determination and nationhood.

Much respect to you, elder.

Niavaka tamin'ny faharanitsan-tsaina i W. Arthur Lewis. Indrisy anefa ao amin'ny kilasy fahenina sy ny sosiolojian'ny fihodinana voalohany  anjerimanontolo [premier cycle] dia ny lesoka amin'ny petrakeviny [teôriany] sy ny tsi-fahombiazan'ny ‘fananganana indostria amin'ny alalan'ny fanasana’ no ampianarina bebe kokoa antsika. Endrey izany fomba hanakelezana ny fisainany, ny fiainany sy ny fandraisany anjara tamin'ny toekarena fampandrosoana. Soa ihany, fa nisy ny fikirizana manantantara ao amin'ny UWI, hikajy ny fahatsiarovana azy amin'ireo fivoriambe sy maritrano isankarazany ao amin'ny campuses.
Terak'i St. Lucia i Lewis ary tsy manan-tsahala ny fandraisana anjara nataony ho an'i Karaiba, ireo firenena tsy momba ny atsy sy ny aroa ary ny fiarahamonina manerantany. Toy ny lazan'i Bob Marley amin'ny mozika ny lazany amin'ny toekarena. Ny fiheviny anti-imperialista sy miala amin'ny fanjanahantany no manasongadina ny andraikiny ara-politika ho an'ireo firenena madinika manana fakana sary an-tsaina politika sahisahy.
Isika no governoran'ny zavamisintsika sy tompon'andraikitry ny hoavintsika. Ny fisandratany mankany amin'ireo sekoly ambony manana ny lazany no mitady ny sarin'i Arthur Lewis tanora nanoratra bokikely sy naoty momba ny rotaka aratsosialy tany Antilles sy mandrafitra ny raharaha mankany amin'ny fizakantena sy fampijoroana ny firenena.
Fanajana lehibe ho anao, ry zoky.

Mbola mitombina mandraka androany ny tsirinkevitr'i Lewis. Vao haingana, ny Profesora Sir Hilary Beckles, filohan'ny Vaomieran'ny fanonerana CARICOM, no nanonona izay nolazainy ho “karazan-tenin'i Arthur Lewis” ho lalana ho an'ny faritra raha miresaka fanonerana tamin'ny fanandevozana [mg].

Ity maodelim-pampandrosoana ara-toekarena ho an'i Karaiba ity dia nifototra tamin'ny hetsika henjana ho fanohanana ny fanavaozana ara-toekarena sy fitsinjarana ho ara-drariny kokoa ny harena — fomba fanatomorana iray izay, amin'ny fitenin'ny mpanoratra Jamaikana Geoffrey Philp hoe, tadiaviny ny hanalavirana amin'ny tantaran'ny “beasts of burden (betes de somme) noanganoina” ny faritra.

Tamin'ny taona 1963 ny governemanta britanika nanome mari-boninahitra an'i Lewis noho ny zavabitany teo amin'ny fisavana lalana sy fandraisany anjara teo amin'ny sehatra toekarena. Nodimandry teo amin'ny faha-76 taonany izy tamin'ny 15 jona 1991 tao Barbados, saingy mbola mitoetra (velona) ny asany—sy ny sariny—.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.