WATCH: Inona no lazain'ny Eurovision antsika momba an'i Eoropa

Ho an'ny maro mpiondana Fifaninanan-kira Eurovision, nandalo ny “herinandron'ny Eurovision”—notontosaina tamin'ny 22 mey 2021 ny seho famaranana ity lanonana fanao isa-taona ity. Ary eny fa na dia ny tsy mpanaraka loatra ity seho ity aza dia mety hitovy hevitra amin'ny hoe ny Eurovision—sy ny zavamitranga manodidina azy—dia azo itarafana an'i Eoropa amin'izao fotoana, ny politikany, ny fijereny ny tenany ary ny lazaina ho soatoaviny.

Amin'ity toko Global Voices Insights ity, niara-nipetraka tamin'ny tonian'i Eoropa atsinanana Tanya Lokot sy i Filip Stojanovski tonian'i Eoropa Afovoany hiresaka momba ny Eurovision amin'ny maha-laza ara-kolontsaina azy i Filip Noubel tonia mpitantana ny Global Voices. Hita ao amin'ny webinar ihany koa ny antsafa nifanaovana amin'ny mpifaninana 2021 nasaina manokana: Benny Cristo avy ao amin'ny Ropoblika Tsheky, sy i Vasil avy ao Makedonia Avaratra.

Ary miangavy tsidiho ny pejy manokana itantarana ny Eurovision hahitana tantara maro kokoa!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.