Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Septambra, 2017
Myanmar: Fihaonam-Bavaka sy Fanohanana avy amin'ny Firenena Manodidina
Tontosaina any amin'ny firenena manodidina ny fijoroana ho fanoherana sy ny fihaonam-bavaka ho fanohanana ireo Moanina ao Myanmar manao fihetsiketseham-panoherana. Ahitana sary sy lahatsary avy amin'ny firenena ao Azia Atsimo Atsinanana ity lahatsoratra ity.
Syria: Mpanao Sariitatra Notazonina noho ny Fitsikerana an'i Assad
Mananda lafo izay Syriana mpanao sariitatra mampiseho ny toetran'i Bashar Al-Assad. Akram Rslan no tafiditra lisitra farany amin'ireo artista nisintaka ara-kevitra sy nanivaka antso tratran'ny faneriterena.
Mpahay Sary Enina Nananihany an'i Assad Tokony ho Fantatrao
Tsy mila fanazavana an-tsoratra na dikantsoratra ny zavakanto. Manaporofo izany ireto sary natao ihomehezana avy amin'ny mpahay sary syriana nanam-pahasahiana ny haneso an'i Assad ireto.
Fitokonan'ny Mpampianatra ao Però : Ilay Sary Nalaza An-tserasera
Fa ny fanafosafoany ny tavan'ilay vehivavy kely sady feno tahotra no nahatonga azy niova vetivety teo ho ho goavana malefaka sy mahafinaritra"
Shily: Fivoriana Amin'ny Fisainana Mpanombo-Draharaha Ihariana
Notontosaina tamin'ny fiandohan'ny taona (2007) tao Santiago ny Webprendedor, fihaonan'ny mpanombo-draharaha sy ireo liana te-hahafantatra ny fanaovana izany. Tsy resaka teknika loatra ny fampianarana, fa nifantoka kokoa amin'ny vinam-pihariana, fikarakarana ny mpanjifa, ary ny fomba fanangonana famatsiam-bola. Nanoratra ny zava-natrehiny tamin'izany ny bilaogera.
Nanakatona Seha-Baovao Miisa Enina i Kambôdza
"Hita fa mampiasa fanasarotana ara-teknika ampifanarahana amin'ny lalàna ny governemanta kambôjiana hanafenany ny tena tanjona hampanginana ireo feo mahaleotena."