Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Septambra, 2014
Niteraka Resa-be Ny Sary Efa Lany Daty Momba An'i Okraina Nalefan'ny Masoivoho Amerikana Tao Amin'ny Twitter

Matetika feno hadisoana ny fanentanana media sosialy Amerikana mikasika ny krizin'i Okraina, raha tsy hoe mahatohitra ny fahavalo izay matetika manafina ny propagandiny antseraserany ho tahaka ny fikatrohana eny "ifotony" i Uncle Sam [Etazonia].
Eo Amin'ny 70% n'ny Tanora Iraniana No Mampiasa Fitaovana Tsy Ara-dalàna Famakiana Sivana Amin'ny Aterineto

Araka ny voalazan'ny lisitry ny Heloka Informatika ao Iran, samy tsy ara-dalàna ny fizarana ny teknolojia famakiana sivana sy ny toro-lalana fampiasana izany fitaovana izany. Mety hiafara amin'ny sazy henjana ny fanitsakitsahana izany lalàna izany.
Tsy Mifanaraka Amin'ny Lalàmpanorenana Ny Lalàna “Mangeja” Ny Media Ao Timor Atsinanana

Nahazo fandresena ampahany ireo mpanoratra gazety sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona avy ao Timor Atsinanana raha namoaka didy ny Fitsarana Ambony fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny Lalàna mifehy ny gazety nolanian'ny parlemanta tamin'ny volana Mey lasa teo.
Maty Nisy Namono Tao St. Petersburg ilay Mpampianatra Queer Tango

Matoky ny fikambanan'ny LGBT ao Saint-Petersburg fa nisy ifandraisany tamin'ny fahafatesany ny asan'i Khomenko amin'ny maha-mpampianatra "tango"-n'ny pelaka azy.
Video ‘Happy’ Anisan'ny Nivoaka Farany Indrindra Avy Any Sikkim, An-Tampon'i Himalaya Ao India
Aleo tara toy izay tsy misy, namoaka voatra [version] iray ho an'i Sikkim, fanjakana iray miorina ao amin'ny tangoron-tendrombohitra Himalaya sady tsy manana moron-dranomasina ao avaratra atsinanan'i India, i Sushmita Pakhrin avy ao amin'ny Lens Craft Production.
Afaka Manapaka Ny Aterineton'i Rosia i Etazonia, Hoy ny Mpanao Lalàna Iray

Mihevitra ny depiote iray ao amin'ny parlemanta Rosiana fa afaka manapaka ny aterineton'i Rosia i Etazonia ka manoro-hevitra amin'ny Rosiana izy mba handray fepetra hivonona amin'izay mety ho fanivanam-baovao.
Takian'ny Meksikana Mpisera Twitter Ny Tsy Hanivanana Ny Sarimihetsika “Didy Jadona Tonga Lafatra”
Ao amin'ny firenena Demaokratika vao misandratra tahaka an'i Meksika, iharan'ny famoretana na ny sivana indraindray ny fanehoan-kevitra mitsikera ny fitondrana
“Cool” Ry Mpifanandrina o! Hoy Ireo Mpanao “Ice Bucket Challenge” Ao Afghanistan
Nisy vondrona facebook misokatra hoan'ny rehetra antsoina hoe "Be Cool" (Mba mahafinaritra - Milamina) namoaka lahatsary tamin'ny 30 Aogositra ahitana Afghàna roa nahavita ilay hetsika malaza amin'izao fotoana izao antsoina hoe ice-bucket challenge ho fitadiavana filaminana politika. Izay no hanasan'izy ireo ny mpifaninana roalahy mba hanaiky izay ho valim-pifidianana hivoaka
Tamin'ny Fanitsahana Ny Fampitsaharan'Ady Tao Gaza, Niakatra 2000 Mahery Ireo Namoy Ny Ainy
Mbola nifampiampanga indray tamin'ny tsy fahombiazan'ny fifampiraharahana "fampitsaharana ady" i Hamas sy Israely.