Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Jolay, 2019
Fantaro i Margaret Noodin, mpitantana ny kaonty Twitter @NativeLangsTech mandritra ny herinandron'ny 25-31 jolay

Mpampianatra teny anglisy sy ny tenindrazany i Margaret Noodin, mpitantana ny kaonty @NativeLangsTech mandritra ny herinandron'ny 25-31 jolay ity. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Anishinaabemowin.
Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely
Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Eo koa ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamakiny hiantso ny manampahefana Israeliana - ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.
Fifidianana Zimbaboe 2008
Nandatsa-bato ny Zimbaboenana tamin'ny 29 martsa 2008 hifidy ny filoham-pirenena sy ireo handrafitra ny parlemanta. Andro vitsy taty aoriana, mbola tsy nambara ny vokatra ofisialy. Nanambara ny fandreseny i Morgan Tsvangirai lehiben'ny mpanohitra MDF, saingy mety tsy hiova tanana tsy misy fifandonana ny fahefana.
Krizin-tsakafo manerantany 2008
Nanamarika ny bilaogera manerana izao tontolo izao ny fiakaran'ny vidin-tsakafo manerantany. Mandikateny sy mandrohy ireo tsikaritry ny olon-tsotra manoratra amin'ny bilaogy any amin'ireo firenena maro ny Global Voices. Iankinan'ny ain-dehibe izany ho an'ny sasany, fa helingelina kely fotsiny ho an'ny hafa.
Inona ny fitaovam-pandikan-teny tianao indrindra?

Tsy misy tsara noho ny mifanampy, mifampizara izay fitaovana ampiasainao. Sa ahoana?