Lahatsoratra farany an'i Naomy tamin'ny Oktobra, 2016
Fanatitra Sy Karandava, Ny Fankalazana ny Maty Ao Meksika
Iresahana ny karandoha sy karandava, fanatitra (alitara) ary andiam-balandresaka momba ny maty sy ny lalàna momba ity fankalazana nentim-paharazana ity.
Hita Amin'ny Vaovao Indray i Michoacan, Fa Amin'ny Fetiben'ny Filma Efa Niomanana
Ilay Frantsay Audrey Tautou sy ilay Amerikana Willem Dafoe Gael no anisan'ny olo-malaza nasaina amin'ity Fetibe Iraisampirenen'ny Filma Morelia andiany 2016 ity. Ilay tantara lava 'Sully', lalaovin'i Tom Hanks no aseho mandritra ny lanonambe fanokafana.
Sarin'ireo Mpisera Instagram Mampiseho Ny Zavon-tsetroka Mandrakotra an'i Khabarovsk
Nihidy tao an-trano na nanao saron-tava ny mponin'i Khabarovsk ao amin'ny Farany Atsinanana ao Rosia rehefa mivoaka ny trano satria nandrakotra ny tanàna ny zavon-tsetroka tamin'ny Talata.
Mpiaro Ny Tontolo Iainana Iray Hafa Maty Nisy Namono Tao Amazônia
Mpamono olona anankiroa, nitaingina môtô, no namono nahafaty an'i Luís Alberto Araújo, 54 taona, Sekreteran'ny Tontolo Iainana ao Altamira, fanjakan'i Pará tamin'ny alakamisy 13 oktobra lasa teo.
Mitendry Hira Klasika eo Anivon'ny Toeram-Pako Ho Endri-Panoherana
Nikarakara kaonseritra klasika eo afovoan'ny fako eo am-pidirana ny tanànan'i Tetovo, iray amin'ireo tanàna ao Eoropa tratran'ny fandotoana indrindra, ny mpikatroka ara-tontolo iainana ao an-toerana.
Sivilizasiona, Jadona sy Fitroarana: Tantaran'Izao Tontolo Izao Araka Ny Fijerin'ny Vehivavy Kolombiana Iray
Misafidy faritra iray eto amin'izao tontolo izao i Diana Uribe ka mampifandray ny tantaran'izany toerana izany amin'ny zavamisy hitantsika ankehitriny. Mifantoka amin'ireo olo-malaza ara-tantara ny fandaharany.
Firaisankinan'i Pôrtô Rikana, Namiratra ao Anatin'ny Fahatapahan-Jiro Manerana Ny Tangoro-Nosy
Fisedrana ady sarotra ny fahatapahan-jiro ho an'ny Pôrtôrikana, saingy nampivoaka ihany koa ny tsara indrindra tao amin'ny maro.
Tian'ny Parlemantan'ny Tanora Ovaina ny Anaran'ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenena ao Maputo
Ny Parlemantan'ny Tanora, fikambanana mametraka ny tahoran'i Mozambika ho laharam-pahamehana, no tompon-kevitra te-hanome anarana Samora Machel, filoha voalohany ao amin'ny firenena, ny Seranam-Piaramanidina Iraisampirenen'i Maputo. Mitady sonia roa arivo ny fanangonan-tsonia ho amin'izany.